airtel

Sosialy

11-janv-2021

Sosialy

Bebe Razafy Handray 127 taona, mbola salama tsara

Sample post image

Ray aman-drenibe antsoina hoe Razafy, fantatry ny maro amin’ny hoe Bebe Razafy,

11-janv-2021

 

 

 

 

 

 no handray 127 taona amin'ity taona 2021, raha ny hita ao amin’ny karam-panondrom-pireneny. Mbola salama tsara. Afaka miresaka ary mbola mahita tsara avokoa ny masony. Tsy mbola nampiasa solomaso izy hatramin'izao ary mbola fantany avokoa ireo zanaka aman-jafiny. Ao Mangidihidy, Fokontany Ampangabe, Kaominina Ankarinoro, Distrika Fandriana no misy azy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Nirary soa ny rehetra izy ary nampita hafatra fa tsy misy afa-tsy ny fifankatiavana tsy misy fiatsaraham-belatsihy ihany no maha-ela velona. Aza atao, hoy izy, ny an-dolom-po dia milamina ny fiainana. Nanentana ny rehetra tsy hihinana sakafo matavy be matetika sy hidoroka zava-mahadomelina ihany koa izy fa ireny no maha fohy andro iainana, hoy izy. Azo iresahana tsara i Bebe Razafy fa mila mitondra vola kely izay mamangy azy hividianany sakafo kely, hoy hatrany ny mpampita ny hafatr’i Bebe Razafy.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap