airtel

Sosialy

19-août-2021

Sosialy

Boriboritany fahadimy Mandrifatra indray ny fahatapahan-jiro sy rano

Sample post image

3 andro misesy izay dia saika ahenoana fahatapahan-jiro sy rano matetika indray iny boriboritany fahadimy iny. Efa ela no nanaovan’ireo tomponandraikitra eny an-toerana toy ny delegen’ny boriboritany

19-août-2021

 sy ireo depiote ny tatitra sy ny fitarainana momba ny fijalian’ireo mponina misedra izany toy ny eny Analamahitsy, Manjakaray sy Ambatomainty ary Amboditsiry iny. Isan’ny vahaolana napetraka ny resaka karazana sinin-drano ho fampiakarana ny tosiky ny rano eny amin’ireny faritra ireny saingy tsy naharitra fa dia izao miverina izao indray ny fijaliana eo amin’ny resaka rano sy jiro. Mifandimby ny fahatapahana tato anatin’izay 3 andro izay. Raha maraina no tapaka ny rano dia ny jiro indray ny hariva na mifamadika amin’izay ihany koa indraindray. Andrasana araka izany ny vahaolana entin’ny governemanta vaovao manoloana izay fahatapahan-jiro sy rano mandrifatra eny an-toerana izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap