airtel

Sosialy

19-juil-2021

Sosialy

CFP ALTHERA Miarinarivo Nankasitraka ny Antoko Tia Tanindrazana

Sample post image

Naneho am-pifaliana ny fisaorana avy amin’izy ireo ny Mpitantana ao amin’ny CFP ALTHERA «Service-Info» ao Miarinarivo tarihin’ny Tale Atoa Ranarison Therre Alphonse,

19-juil-2021

 

 miaraka amin’ireo Mpianatra (andiany faha-25) manovo fahalalana amam-pahazana ao sy ireo olona rehetra mpahazo tombontsoa amin’io Ivon-toeram-piofanana io (ny Association asA NO KAbary (Fikambanana ifanohanana miaraka olona sembana, ny Association sportive ALSIM, sy ny maro tsy voatarisa, ny sabotsy 17 jolay teo. Manantitra ny fisaorana sy fankatelemana anareo Mpikambana rehetra ao amin 'ny Antoko politika « Tia Tanindrazana », tarihin'Andriamatoa Filoha Mpanorina, Razafinjoelina Tahina, mivady: tamin’ny namalianareo ny antso izay nataonay sy nanekenareo an-kitsi-po, ho mpiara-miombon’antoka aminay, aman’ny asa fanabeazana sy fanofanana ny tanora, izay nanolorantsika tena, ka nanomezanareo fitaovana maromaro toy ny solosaina entin-tànana ny ivon-toeram-piofanana izay notanterahin’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Antoko Atoa Schall Ramanantsoa, ny sabotsy 05 jolay 2021 lasa teo », hoy ireo fikambanana. Kely sy bitika », hoy ianareo. « Santatra ihany», hoy ianareo, kanefa, hoy izahay hoe: « Bitika aminareo mpanolotra, tompoko, fa lehibe kosa aminay notolorana », hoy hatrany izy ireo. Nambarany fa raki-tsoa no natolotra satria ny hazo mety ho boboka, ny vy mety ho lo, ny vola mety ho lany; fa ny fahaizana amam-pahalalana tovozina avy fitaovana nositrahana kosa dia tahaka ny loharano tsy manam-paharitana, raki-tsarobidy tsy manam-paharoa.
Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap