airtel

Sosialy

20-juin-2022

Sosialy

Delestazin’ny Jirama Hay azo fehezina rehefa mandrahona ny Filoha ?

Sample post image

Tsapa sy tsikaritra ho tsy nisy loatra na somary nalefaka ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo sy ny manodidina ny faran’ny herinandro teo.

20-juin-2022

Tsy dia nisy fahatapahana loatra ary samy nanaiky izany ny ankamaroan’ny olona. Midika aloha izany fa azo atao tsara ihany ny mandefa ny herinaratra manerana ny tanàna rehefa misy ny tsindry na antony hafa. Noho ny teny miendrika fampitandremana nataon’ny Filoha tany Ambovombe ny zoma teo nilaza fa rehefa tsy handray andraikitra ny minisitry ny angovo sy ny Tale Jeneralin’ny Jirama dia izy no handray andraikitra ve? Nisy ihany koa ny grevy nataon’ny vahoaka teny 67ha noho ny fahatezerana ary niverina avy hatrany ny jiro ny alakamisy teo. Fa ny tena lehibe dia ny rindra-kira sy antsam-piderana teny Mahamasina natrehin’ny Filoham-pirenena sy ireo mpitantana ambony isan-tsokajiny. Azo alefa tsara tsy misy fahatapahana ihany izany ny jiro, ary toa ampy ihany ny famokarana rehefa misy zavatra na hetsika goavana ahitana ny mpitondra ambony. Mety miezaka misoroka ny mety ho hetsika sy fipoahana amin’izao herinandro tsy hahatongavan’ny 26 jona izao. Hoentina amin’ny politikan’ny famonoana afo sa mba hisy vahaolana maharitra amin’izay? Rahoviana vao hilamina tanteraka fa tsy hoe rehefa misy zavatra ataon’ny fitondram-panjakana vao mba tsy misy loatra ny fahatapahana? Nisy ny teny nataon’ny Filoha tany Ambovombe fa raha tsy tany ve izany izy dia havela ho maizina ny vahoaka? Ny tany an-toerana izay voalaza teo aloha fa tsy maintsy hotapahana 5 andro ny jiro noho tsy fisian’ny solika. Ny filoha no nahita ny zava-misy, ka dia nisy iny fampitandremana iny. Ho tahaka izany ihany koa ve ny any amin’ny faritra maro sa miandry Filoha ho avy any ihany koa vao hivaha? Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray an’ny Jirama omaly tamin’ny fandaharan’ny fahitalavitra iray moa, dia hihena tsikelikely io delestazy io amin’ny herinandro. Anio ny mpiara-miombon’antoka iray dia hampiditra 9MW fanampiny. Ho avy ihany koa ny 20 hatramin’ny 30MW an’ny any Andekaleka. Efa akaiky ihany koa ny 20MW avy amin’ny herin’ny masoandro ao Ambatolampy,… Hanao ahoana ihany koa no hiafaran’ity fifanenjanana ara-tsolika eo amin’ny Jirama sy ny mpaninjara solika ity ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap