airtel

Sosialy

16-mai-2022

Sosialy

Famatsiana herinaratra Miha mafy isan’andro ny fikorontanana

Sample post image

Eo ihany ny fahatapahan-jiro lavareny fa eo indrindra koa amin’izao fotoana izao ny fanahian’ireo mpanjifan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy manoloana ny filatsahan’ny tanjaky ny jiro sy ny fitaovana mandeha amin’ny

16-mai-2022

herinaratra vatsian’ny JIRAMA na “tension” moa izany. Tsikaritra nanomboka ny marainan’ny omaly io tamina fokontany sasantsasany teto an-drenivohitra, hany ka tsy mahazaka mampandeha ireo fitaovana toy ny fahitalavitra sy vata fampangatsiahana anatin’ireo tokantrano koa ny tosik’izay herinaratra azon’ny JIRAMA vatsiana izay. Miha mafy isan’andro, araka izany, ny tsy filaminan’ity famatsiana herinaratra ity. Ny an’ireo kaominina hafa toy iny Itaosy sy ny manodidina iny moa dia tsy hita intsony izay ilazana azy, hoy ny fitarainan’ireo mponina.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap