airtel

Sosialy

10-mars-2021

Sosialy

Fandaharan’asa AFAFI-NORD - Mahavavy Mandeha ny asa fanarenana ny tambazotra fitarihan-drano

Sample post image

Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanarenana ny tambazotra fitarihan-drano ao Mahavavy, distrikan’Ambilobe, Faritra DIANA.

10-mars-2021

 

 Mitentina 3,4 miliara Ar ny lela-vola holaniana amin’izany, fanampiana avy amin’ny Vondrona Eoropeana tamin’ny alalan’ilay fandaharan’asa AFAFI Nord. Ny fandaharanasa AFAFI –Nord raha tsiahivina dia mikendry ny hampiroborobo ny sehatra fambolena lovain-jafy, iaraha-misalahy ary mahavokatra. Laharam-pahamehana ho azy ny tena hamahana ny fototry ny olana hatrehina any amin'ny distrikan'Ambilobe, izay faritra iantsorohan'ny fandaharan’asa, mba hampiroboroboina ireo vina ara-toekarena sy ara-pambolena. Kasaina hovitaina alohan'ny faran'ity taona 2021 ity ny asa.Vokatry ny asa hatao dia hiakatra ny fahafahan'ny tambajotra manondraka velrantany manodidina ny 18 000ha Ny 8 600 ha amin’izay hampiasain'ny mpamokatra ary 9.400 ha an'ny orinasa mpamokatra siramamy.Manodidina ny 5 970 ireo tantsaha mpapiasa ny rano avy amin’nity tambazotra ity ary 400 ireo  izay hahazo tombony mivantana amin'ity asa fanarenana hatao ity.

 Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap