amin’ny BNGRC sy ny MPS
Niroso tamin’ny fanamafisana fiaraha-miasa stratejika ny BNGRC na Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza sy ny Programme Alimentaire Mondial (PAM/WFP). Vita sonia omaly ny fifanarahana lehibe ho fanamafisana ny fahavononan’i Madagasikara manoloana ireo loza sy tandindon-doza mihamaro vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Vita ny fifanarahana momba ny famindrana ara-pitantanana ny Hub Logistique Humanitaire ao Manakara ho eo ambany fitantanan’ny BNGRC, taorian’ny fizotry ny famindrana andraikitra ara-piasana natomboka tamin’ny volana janoary. Hanamora ny fandefasana haingana ireo fanampiana vonjy taitra any amin’ireo faritra marefo ity fotodrafitrasa ity. Ankoatra io, ny PAM ihany koa manomboka izao no hitarika ny « Cash Working Group » na ny CWG miaraka amin’ny Minisiteran’ny mponina sy ny Firaisankina (MPS) ny BNGRC mandritra ny 5 taona vaovao, raha ny UNICEF no nitarika izany tao anatin’ny dimy taona teo aloha. Ny CWG dia sehatra iarahan'ireo mpiara-miombon'antoka miasa amin'ny fanampiana ara-bola ho an'ny olona marefo sy tratry ny loza, mba hampifanarahana sy hanatsarana ny fandraisana andraikitra eny ifotony. Sehatra iray ahafahan’ireo mpiantsehatra izay ao anatin’ny « transfert monétaire » ny fanatsarana, fandrindrana, fa ahafahana mijery ihany koa ny fitovizana eo amin’ny fanatanterahana programana famindrana ara-bola atao na amin’ny fiarovana ara-tsosialy, na amin’ny programa fiatrehana loza ny CWG. Mahakasika ireo programan’asa avy amin’ny mpamatsy vola na sehatra hafa toy ny sehatra tsy miankina na firaisamonim-pirenena,… izay manao ny famindrana ara-bola ho programan’asa na ara-tsosialy io na ady amin’ny fahantrana na fiatrehana loza, fanatsarana ny fiveloman’ny tokantrano,… « Ao anatin’izany ny fifanakalozana iarahan’ireo mpiantsehatra, fanatsarana, fanaovana jery todika, fandrindrana amin’ny sandam-bola hozaraina mba hitovy,… amin’ny fanatsarana ny programa tsara kokoa hitambarana sy azo atao amin’ny vahoaka, indrindra ny tokantrano marefo sy iharan’ny loza », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny mponina Rakotonirina Miarisoa Patricia.
Toky R