airtel

Sosialy

01-févr-2022

Sosialy

Fanohanan’ny Banky iraisam-pirenena Asa takalo 100 000Ar ho an’ny tokantrano 2700

Sample post image

Mamoaka vola ny Banky iraisam-pirenena eo anatrehan’ny antso avo sy fanambarana nataon’ny Fanjakana momba ny maha traboina an’i Madagasikara na “état de sinistre national”

01-févr-2022

, araka ny tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alakamisy 27 janoary. Nisy ny fanambarana nataon’io rafitra ara-bola io omaly, izay nanehoana fa misy ny fanomanana hetsika manodidina ny 20 ataon’izy ireo ka hatao amin’ny endrika asa takalo vola izany, ary hisy ihany koa ny famerenana ny “Tosika Fameno”, izay hizarana vola mivaingana sy mivantana, izay natao hanohanana ireo tokantrano marefo, toy ny natao tamin’ny coronavirus. Tokantrano 2700 no hisitraka asa takalo vola, ka 20 andro no hiasana hahazoana 100 000Ar, raha ny fanambaran’ny Banky iraisam-pirenena. Ny Fanjakana amin’ny alalan’ny FID (Fonds d’Intervention pour le Développement) moa no hitsinjara izany. Nilaza kosa Tompon’andraikitry ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara Marie Chantal Uwanyiligira fa tafiditra ao anatin’ny CERC (composantes contingentes de réponses d’urgence) na natao mba hiatrehana sy hamaliana ny hamehana io araka ny voafaritr’izy ireo anatin’ny lamina napetrany. Tanjona ny hanampy ny governemanta hiatrehana ny hamehana sy ny fiarenana taorian’ny loza niseho. Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny tombana antsipirihan’ny fahavoazana, izay iarahany amin’ny governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka. Nilaza i Marie Chantal Uwanyiligira, fa mifantoka amin’ny fanohanana sy ny fitandroana ny ain’olombelona ary ny famerenana ireo fotodrafitrasa manan-danja, toy ny sehatry ny fitaterana, ny angovo, ny rano, ary ny fanadiovana izy ireo. Isan’ny sehatra tena ilàna tohana ireo ary laharam-pahamehana, saingy votsa fiasa tanteraka ny Fanjakana eo anatrehan’izany.
Toky R 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

Card image cap
30-avril-2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Card image cap
29-avril-2024

Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Toamasina,

Card image cap
29-avril-2024

Lasa fidiram-bola tsy azo antenaina firy intsony amin’izao ny fandraisana hofantrano isam-bolana,

Card image cap
29-avril-2024

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

Card image cap