airtel

Sosialy

27-mai-2022

Sosialy

Fanongotana mason-jaza 7 lahy no nampidirina am-ponja any Toliara

Sample post image

Tsy misy atahorana intsony ny ain’i Gaston kely ilay zazalahy nisy nanala tany amin’ny distrikan’i Manja ny voamasony ilany andro vitsy lasa izay.

27-mai-2022

Ny ministeran’ny mponina no niantoka ny fandaniana rehetra tamin’izany raha tao amin’ny CHU Tanambao Toliara no natao ny fandidiana. Mpianatra very tany Fianarantsoa moa i Gaston kely raha tsiahivina. Fiara miloko mena no nambarany fa nitondra azy sy ireo namany nitsoaka. Efa niraviravy ny ila-masony havia no tafaporitsaka izy ka nisy nanavotra. Fantatr’i Gaston kely avokoa moa ny anaran’ireo olona 3 lahy nanala ny masony. Eo an-daniny nanao ezaka ny mpitandro ny filaminana ka fito lahy no efa voasambotra voarohirohy amin’ity resaka halatra maso any Toliara ity. Efa nampidirina am-ponja vonjimaika izy ireo. Tsiahivina moa fa rehefa nosavaina ny tranon'iray tamin'izy ireo dia nahatratrarana voamaso efa maina sy zava-maranitra toy ny forsety...Mbola karohina koa ireo naman'izy ireo hoy ny Talem- paritry ny filaminam-bahoaka any amin'ny Faritra Atsimo Andrefana.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap