airtel

Sosialy

19-juil-2022

Sosialy

Federasionin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa “Tsy azo anaovana fikaramana an’ady ny asanay”

Sample post image

Noho ny tsy fisian’ny fifanakalozan-kevitra marina teo amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny fanjakana dia nanao fanambarana ny federasionin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa izay ahitana ny FOMZMPM, FIMPAMA, SCAE-PC, PMH,

19-juil-2022

 AVDDCC, MCI fa tsy miray petsapetsa amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika izy ireo satria efa voavolavola sy maty paika mialoha ny fampiakarana izany. Mijoro eo anilan’ny vahoaka mandrakariva hiaro azy amin’ny tsindry hazolena mahazo azy ireo izahay, hoy ity federasionina ity. Efa maro ireo vahaolana naroso teo aloha, hoy izy ireo. Tsy nampiharina izany. Tsy azo ekena noho izany ny mbola hiakaran’ny vidim-piainana sy ny entana ilaina an-davan’andro na PPN indray. Tsy voatsinjo ny vahoaka Malagasy. Maro ny fitiavan-tena sy voninahitra eo amin’ireo mpitondra. Tsy nahomby ny governemanta amin’ny famahana olana ara-tsosialy eto Madagasikara. Diso fanantenana ny vahoaka Malagasy. Asa masina ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa ka tsy azo anaovana fikaramana an’ady etsy sy eroa, hoy hatrany ity federasionina ity.
J. Mirija
Legende: Lalaina Razafindralambo, tomponandraikitra voalohan’ny federasionina
(Tahirin-tsary)
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap