Somary nahazo vahana teto amintsika tato ho ny fanapoizinana ara-tsakafo. Farany teo izao dia olona miisa 67 no nampidirina hopitaly tany amin'ny kaominina ambanivohitr'Ambohibao Antehiroka, Distrikan'Ambohidratrimo. Tena ilana fitandremana fatratra ny fijerena ireo sakafo hanina sy vidiana amin'izao raha araka ny fanazavan'ny dokotera Fidy Bariniaina. Toraka izany koa ny resaka fahadiovana. Nambarany fa tokony hanasana tanana amin'ny savony hatrany ireo olona mikarakara sakafo. Tokony hosasana tsara toraka izany ihany koa ny voankazo sy ny legioma mialohan'ny hampiasana sy hihinanana azy. Ho an'ireo sakafo masaka mila tehirizina mba haharitra andro iray dia nomarihiny fa tsy tokony hatao amin'ny masoandrobe izy ireny fa apetraka amin'ny toerana mangatsiatsiaka. Tafiditra ao anatin'izanhmy ireo paty na ovy nasiana maionezy. Ho an'ireo mila vata fampangatsiahana indray dia tokony ho mailo hoy ny dokotera raha vantany vao tapaka ny jiro fa mety hanimba azy izany. Toraka izany koa ny sakafo efa simba sy misy fofona hafahafaha. Farany izay tsy kely akory dia nomarihiny fa tsara foana ny mijery ny datin'ireo sakafo tehirizina anaty boaty ka tafiditra ao anatin'izany ny ranom-boankazo. Ho an'ny maionezy moa dia ireo vita amin'ny atody akoho no tsara indrindra ary hanina sy haroso amin'iny mbola vaovao tsara iny.
Pati
Légende : Izy no dokotera Fidy Bariniaina !