airtel

Sosialy

21-juil-2022

Sosialy

Fiadidiana fananan-tany ao Avaradrano Tokony handraisana fepetra, hoy i Naivo Raholdina

Sample post image

Tokony handraisana fepetra ny “chef de circonsription” na lehiben’ny fiadidiana ny fananan-tany na “Domaine”

21-juil-2022

ao Avaradrano satria dia naharay fitarainana maro momba ny fandraisana sy fomba fiasan'ny mpiasan'ity fiadidiana ny fananan6tany ity ny Solombavambahoaka, Naivo Raholdina, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. nandefa izany fitarainana izany koa ny fiadidian'ny repoblika. Voatondro manokana ny ramatoa iray lehiben'ny “circonscription” ao amin’ny “domaine” Avaradrano, hoy ny voambara. Malaza ho mpamezivezy sy tsy mahalala fomba eny fa na dia amin'ny manam-pahefana aza. Ao koa ireo mpiasan'ny “domaine” mpanafina dosie sy mpamezivezy olona. Manao antso amin'ny minisitry ny fananan6tany ity filohan'ny vaomieran'ny fananan-tany ity mba handray fepetra amin'ireo fandoto iray tandroka mandoto ny ezaka hataon'ny fitondram-panjakana amin'ny hisitrahan'ny malagasy ny taniny, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap