airtel

Sosialy

06-déc-2021

Sosialy

Fiainam-pirenena Tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy voafehy ny rano

Sample post image

Sehatra mampikolay ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina ny tsy fisiana sy tsy fahampian-drano.

06-déc-2021

 Manomboka tena maneho ny fahatezarany ny vahoaka, ka raha ny tao anatin’ny telo na efatra andro farany fotsiny, ohatra, dia niaraha-nahita ny hetsika Ankatso I nisiana fandorana kodiarana sy fanakanan-dàlana, ny teny Ampandrian’omby izay naparitaky ny olona hibahana ny arabe ny « bidons jaunes », ny teny Itaosy vao ny sabotsy teo, izay nisiana filanjana sora-baventy sy fandorana kodiarana teny an’arabe satria leo tsy fisian-drano.

 

FILAN’ANTANANARIVO : 300 000 m³ isan’andro
Manodidina ny 300 000m³ isan’andro ny filàna rano ho an’Antananarivo manodidina. Ny tatitra nataon’ny Jirama farany ny 01 desambra teo kosa nilaza fa 210 000 m³ isan'andro no vokatra rano tsinjaraina eto Antananarivo sy ny manodidina. Lojika raha misy ny fahabangana sy tsy fahampiana. Misintona ny rano avy ao amin’ny farihin’I Mandroseza mba hiakatra ao amin’ny “ouvrage de traitement », izany hoe fanadiovana ny ranon’ny paompy (pompe à eau brute) no napetraka ny faran’ny herinandro teo. Mahatosika hatrany amin’ny 1000 m³ isan’ora ity paompy ity ka hanampy 40 000 m³ no vokatra isan’andro ho an’Antananarivo, raha ny fanazavana.

 

RANO TAPAKA LAVA, MALOTO
Tsy ampy ny vokatra rano, miha ratsy sy tsy ampy ny fotodrafitrasa, misy efa nosoloina ihany ireo fantson-drano fa tena mbola tsy ampy ny ezaka. Rano miloko volon-tany : roa ihany ny antony. Misy olana ny fanadiovana na misy olana any amin’ny fantsona mitondra ny rano.. Efa nisy fotoana anefa nodiovina sy nosoloina ireo fantsona ireo. Ny minisitry ny rano moa iny efa niala tsiny iny, matoa miala tsiny dia nisy asa tsy vita arakka ny tokony ho izy izany tao. Ny faktioran’ny jiro sy ny rano dia tonga ara-potoana isam-bola ary tsy misy hoe midina izany io fa ny teo ihany no eo na miakatra aza..ny Jirama moa mahita fanazavana omena foana handresena lahatra fa mety io faktiora mampimenomenona mpanjifa io. Mila politika matotra sy paikady mahomby. Mbola resaka hafa mihitsy ny any amin’ny faritra hafa fa vao Antananarivo sy ny manodidina io mahatonga resabe io, fa misy faritra tena mijaly amin’io rano io. Tsy mahazo rano fisotro madio. Izany anefa dia miteraka aretina maro ary mety hitarika amin’ny fahafatesana mihitsy. Ny rano no tokony tena handrotsahan’ny fanjakana vola be ny fikirakirana, famokarana sy fitsinjarana azy.
 


MILA VAHAOLANA SY PAIKADY MAHARITRA
Firenena manana rano i Madagasikra kanefa nahoana no mijaly rano, tahaka an’ilay hoe mpamboly vary ny Malagasy kanefa manafatra vary avy any ivelany fa tsy mahavita tena ara-bary. Misy paikady sy fomba fiasa tsy maintsy amborina fa tsy vahaolana kimaimaika, izay firenena mahafehy an’io rano io afaka 20 na 30 taona any no hatanjaka satria efa tena ifampitadiavana io. Manana manam-pahaizana sy teknisianina amin’io i Madagasikara fa sao dia ilay finiavana no tsy ampy, na tafiditra be loatra ny resaka politika. Aina ny rano, rehefa tsy misy ny rano resa-be ny zavatra ambiny rehetra : famokarana herinaratra, fanorenana, fambolena, fiompiana, fiainana andavanandro, fanadiovana sy fidiovana,… Hovidiantsika lafo ny famotehana tontolo iainana tsy an-kijanona io, raha sanatria tsy voafehy.

 

Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

Card image cap
30-avril-2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Card image cap
29-avril-2024

Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Toamasina,

Card image cap
29-avril-2024

Lasa fidiram-bola tsy azo antenaina firy intsony amin’izao ny fandraisana hofantrano isam-bolana,

Card image cap
29-avril-2024

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

Card image cap