airtel

Sosialy

15-juil-2021

Sosialy

Fianarantsoa Maty naolan'ny raikeliny ilay zazavavy kely 8 taona

Sample post image

Zazavavy kely iray vao 8 taona monja antsoina hoe : Andoniaina Stephanie monina ao Fianarantsoa no namoy ny ainy tsy fidiny rehefa naolan’ny raikeliny afak’omaly.

15-juil-2021

 Mbola nividy sakafo hariva ,sady natsaka rano tamin’ny toerana lavidavitra ny renin’ity zaza ity nandritra izany. Tsy niresaka tamin-dReniny ilay zaza nandritra ny alina manontolo . Tsy nijanona nikàkà anefa izy nandritra izany izay efa nahatratra in-telo. Namoha ilay raikeliny ratsy fanahy ilay reniny nandritra izany saingy tsy taitra ity voalohany. Tsy niandry ela anefa fa nony atoandro dia namoy ny ainy ilay zaza. Nivoaka rà ny fivaviany sy ny vavany sy ny orony nandritra izany. Hita tao an-trano koa ny “drap” nisy rà sy kaka nivoaka nandritra ny fanolanana.Vao naheno io vaovao io ny polisy eo Ampasambazaha tarihin’ny Kaomisera Rasolondrazana Justin dia nidina tany an-toerana nisambotra ilay nahavanon-doza.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap