airtel

Sosialy

04-nov-2021

Sosialy

Fivarotana zaza varira Voafandriky ny polisy ny lehilahy 3

Sample post image

Lehilahy miisa 02, sy mpitandro filaminana am-perin’asa 01 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny DRSP Anosy ny 01 novambra lasa teo noho ny fitanana an-keriny sy fivarotana zaza varira.

04-nov-2021

 Tamin’io alatsinainy io, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva no tonga nanatona ny DRSP Anosy ao Taolagnaro ny tera-tany sinoa iray mba hametraka fitarainana. Nolazain’ity farany fa nisy lehilahy nanatona azy ary nilaza fa manana zaza varira miisa 05 hamidy ka 300.000.000 ariary ny vidin’ny iray. Manoloana izany tranga mamoafady izany dia nandray fepetra avy hatrany ny Polisy ary nanao ny vela-pandrika rehetra entina hisamborana ilay olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny 09 ora alina dia nomena fotoana tamina toeram-pisotroana iray tao amin’ny fokontany Amboanato ireo olon-dratsy ka dia tonga tokoa ary dia noraisim-potsiny. Telo lahy no voasambotra tamin’izany ka mpitandro filaminana am-perin’asa ao Ambatofinandrahana ny iray tamin’ireo. Fantatra tamin’ny fanadihadinana moa fa ity farany no nanome ny laharana sy « compte bancaire » handefasan’ilay tera-tany sinoa ny vola vidin’ireo zaza ireo. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap