mpandeha an-tongotra notanterahina tetsy amin'ny Le Pavé, Antaninarenina niarahana tamin’ny ONG Arabé sy ny ProDéCID/GIZ ny herinandro teo. Izany dia nahitana ny fandraisana anjaran'ny avy amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Polisim-pirenena, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ireo vondron'ny mpitatitra UCTU sy UCTS ary ny mpitatitra. Nivoitra tamin'izany fa ny 70% amin’ny fivezivezena eto Antananarivo renivohitra dia dia an-tongotra kanefa feno sakana ny lalana natokana ho an'ny mpandeha tongotra. Eo ny mpivarotra, iantsonan'ny moto ary ireo kodiaran-droa hafa. Tsy ampy ny lalana fiampiatana. Nifanakalo hevitra sy namantatra hetsika iombonana hanatsarana ny fiarovana ny mpandeha an-tongotra ireo mpandray anjara tamin'ity atrik'asa ity. Hatao azo antoka sy ho an’ny rehetra ny fandehanana an-tongotra eny an-dalàmbe ho an’ny vahoakan’Iarivo.
Jean D.