airtel

Sosialy

13-avril-2021

Sosialy

Fonjan’Antanimora Gadra iray matin’ny covid-19, iray hafa marary mafy

Sample post image

Lehilahy iray voafonja tao Antanimora no namoy ny ainy vokatry ny valanaretina coronavirus alahady 11 aprily lasa teo.

13-avril-2021

 

 

 

 Nambaran’ny fampahalalam-baovao, fa nentina tamina toeram-pitsaboana iray teto an-dRenivohitra izy io, saingy tsy nety nandray ny hopitaly. Voatery nentina niverina ho an’ny am-ponja saingy tapitra teny an-dàlana ny ainy. Ankoatra izay, vehivavy iray voafonja ao Antanimora hatrany ihany koa no voalaza miady amin’ny fahafatesana, sempotra vokatry ny valanaretina covid-19. Miparitaka ao am-ponja ny valanaretina, ary ahiana hamely ny ankamaroan’ireo gadra. Mangataka ny hijerena azy ireo, indrindra fa ny lafiny maha olona ireo gadra. Tsy tao Antanimora ihany, fa tamin’ny herinandro tahaka izao, dia efa nisy gadra miisa voan’ny covid-19 ihany koa tany amin’ny Fonjan’I Marofotra any Mahajanga. Noho io tranga io no nanehoan’ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo ny herinandro teo, fa atokana toerana aloha ireo gadra vaovao, ary rehefa voamarina fa tsy voa, vao halefa hitambatra amin’ny besinimaro. Miparitaka na aiza na aiza ny valanaretina coronavirus amin’izao, ary hatrany am-ponja aza efa misy, ka entanina ho mailo hatrany ny tsirairay. Maneho ihany koa ity toe-javatra nandavana ny tsy handraisana io voafonja iray niteraka tamin’ny fahafatesany io, fa sarotra ny fidirana hopitaly, mety hivezivezy vao tafiditra, ny aretina anefa miombo, ka mety hamoy ny ainy eny an-dàlana ny marary.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap