airtel

Sosialy

18-mars-2022

Sosialy

Grevy etsy, fitakiana eroa Mbola tany misy Fanjakana ihany ve eto ?

Sample post image

Fitakiana, grevy, savorovoro, menomenona ! Ireo hatrany no isan’ny manamarika ny fiainana andavanandro eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

18-mars-2022

Tototra ny Fanjakana, tsy mahavaha olana, fa mitarazoka tanteraka, tsy arakaraka ny anarana hoe: “TGV” fa tena lasa sokatra fiasa. Tsy mbola mivaha mandrak’ity ny androany ny olan’ireo mpandraharaha niantsoroka ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny làlana sy ireo tetikasa manara-penitra. Ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny asa vaventy izao no nanao vava be, fa manana hatrany amin’ny 400 miliara Ar ny FR (Fonds Routier), ka tsy izay 33 miliara Ar na mihoatra an’izany no tsy ho voalohan’ny fanjakana. Herintaona, roa taona, telo taona,… anefa tsy hita ihany izay fandoavana volan’olona, fa arirarira lava amin’ny hoe: mbola hanao fanadihadiana. Tsy sahy mitsotra ve ny Fanjakana fa nisy olana ny fanovana rafitra eny am-pandehanana, ka nahatofoka ny mpamatsy vola satria ny FER (Fond d’Entretien Routier) navadika an’ilay FR etsy ambony? Ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena tofoka, ny fitantanam-bolan’ny FR ahiana ho nisy fanodinkodinana volabe an-jatony miliara maromaro, ary efa nisy fampahalalam-baovao nanatsikafona an’io. Nisy fotoana aza namoahana didy ny 27 oktobra 2021 nampiato ireo làlana vatsiany vola. Sanatria ritra ny tao amin’ny FER na FR dia nivadika tany amin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) indray no nandavaka ara-bola? Lafin-javatra hafa, mifoha ny fitakiana samihafa ary miteraka sakoroka mihitsy, toy ny resaka vatsim-pianaran’ny mpianatra. Herintaona fandaminan-tsaina hatrany, ela loatra ny fandraisan’andraikitra, dia ireny miafara amin’ny grevy ireny. Mbola tafiditry ny kilalao maloto ara-politika ihany koa anefa satria misy minisitra am-perin’asa voatontonona ho tao ambadiky ny famporisihana mba handotoana minisitra hafa. Io fa mitaky ny karamany ihany koa ireo niandraikitra ny fanadinam-panjakana. Tapa-bolana lasa izay no efa nampita vaovao ny tany Mahajanga fa hatramin’izao tsy mbola azo ny “vacation” ho an’ireo nitsara fanadinam-panjakana. Io fa mijoro ihany koa ireo nikarakara ny taratasim-panadinana teto Antananarivo fa vola hatrany amin’ny 188 tapitrisa Ar ny azy ireo tsy voaloa,… Matetika isehoana korontana ihany koa ny resaka fizarana fanampiana avy amin’ny Fanjakana raha tsy hilaza afatsy ny teny Ampefiloha, Andravoahangy Atsinanana,… satria maro no tsy afa-po, betsaka no tsy mahazo. Miharihary ny fahasahiranan’ny vahoaka, tofoka ny olona,… kanefa ilay Fanjakana tsy mahavaha olana, fa miezaka miafina sy manafina izany amin’ny kisehoseho ivelany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap