airtel

Sosialy

04-mars-2022

Sosialy

Herinaratra tapaka lava Nitroatra ny mponin’Antanimenakely

Sample post image

Omaly alina, nanomboka tamin’ny 8 ora, ny orana amin’io mbola mikija dia mikija saingy tsy noraharahian’ireo mponina teny Antanimenakely Ambohimamory izany fa dia mbola nampivoaka azy ireo hanakan-dalana teny an’arabe ihany.

04-mars-2022

 Herinaratra tapaka efa tafahoatra indray teto no antony, raha ny fampitam-baovao. Izay no nampitroatra ireo mponina. Voaelingelina tanteraka, mazava ho azy, ny fifamoivoizana ary hita ho miha mafy koa, araka izany, ny fahatezeran’ny olona manoloana ity fahatapahan’ny herinaratra tsy mety mivaha ity. Taorian’Itaosy, Ambatomaro, fokontany sy faritra samihafa teto an-drenivohitra, araka izany, dia izao nampiakatra maripana tanaty avy orana izao ny teny Antanimenakely Ambohimamory.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap