airtel

Sosialy

20-avril-2022

Sosialy

Joseph Yoland “1500 ariary ny kapoakan’ny vary ao Nosy be”

Sample post image

Efa nolazaina hatramin’ny ela fa tsy azo atao, hoy ny loholona teo aloha sady mpandraharaha, Joseph Yoland, fa tsy azo atao ny mampatanjaka ny firenena avy nozanahana. Rehefa tsy atao,

20-avril-2022

hoy izy, ny fanorenana ifotony ny rafitra eto anivon’ny firenena dia toy izay foana. Na iza na iza hitondra eo dia tsy maintsy ho atao izany foana ity Madagasikara ity. Rehefa tsy ovana ny lalana rehetra itantanana ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka eto Madagasikara dia tsy handroso mihitsy ity firenena ity. Alain’ny frantsay sy ny firenena mpanjanaka ny zava-drehetra. Ny volamena tsy azo apetraka amin’ny banky foibe eto fa omen any banky foibe any ivelany dia tsy hatanjaka mihitsy ny vola gasy fa hampiana foana isika. 1500 ariary izao ny kapoakan’ny vary ao Nosy be. Hijaly hatramin’ny farany ny vahoaka Malagasy raha tsy ovana ny rafitra eto. Io no isany hampidirinay ao anatin’ilay fikaonan-doham-pirenena satria efa azonay ny hevitry ny manam-pahaizana fa ny hevitry ny tia tanindrazana maro sy ny vahoaka Malagasy maro an’isa kosa mbola tsy azo. Fara-faha tarany amin’ny volana may no atao ny fikaonan-doham-pirenena ary efa tany amin’ny FFKM izahay, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap