airtel

Sosialy

20-oct-2021

Sosialy

Kaominina Andranonahoatra Itaosy Maika ny fijerena ireo lalan-kely isan-tanana

Sample post image

Mbola tsy milatsaka akory ny ranon’orana dia efa velom-panahiana sahady ireo mponina sasany ao anatin’ny kaominina Andranonahoatra, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

20-oct-2021

 Anisan’ireny ny ao Ambohikely Avaratra izay efa an-taonany maro ny nanaovana fangatahana ny amin’ny tokony hanaovana ho rarivato ireo lalan-kely miditra any an-tanana hisorohana ny loza mety hitranga. Isaky ny fotoam-pahavaratra mantsy dia saika sahirana avokoa ny rehetra indrindra fa ny ankizy sy ny zokiolona amin’ny fampiasana ireo lalana feno fotaka mandrevo sy malama. Misy hatrany ny maratra sy folaka raha tsy lazaina intsony ireo tapaka. Toy ny antso an’efitra ihany anefa ny antso nataon’izy ireo hatramin’izay fa tsy misy mpihaino. Raha tsiahivina kely anefa dia anisan’ny kaominina tena manao fitaratra amin’izay fanamboarana lalan-kely ho an’ny mponina isan-tanana izay ny kaominina Ankadimanga sy Ambohidrapeto. Vita avokoa ny lalan-kely, eny fa na dia ireo tanana heverina ho manakaiky tanimbary aza. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo mpitantana eo anivon’ny kaominina Andranonahoatra mba hihetsiketsika fa tsy ho variana fotsiny.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap