airtel

Sosialy

31-août-2022

Sosialy

KAOMININA TALATALATY Notsirihina ireo mpanary rano maloto eny amin’ny lakan-drano

Sample post image

Tsy azo atao ary voararan'ny lalàna ny fanariana rano maloto eny amin'ny lakan-drano fandehanan'ny ranon'orana. Mbola betsaka anefa ireo tokantrano manao izany fa tsy miezaka ny manamboatra puisard

31-août-2022

mba hivarinan’ny rano maloto avy ao aminy. Manoloana izany indrindra dia nidina isaky ny elakelantrano ireo teknisianina sy ireo zandarimaria ao Talatamaty ary ireo tompon’andraikitry ny kaominina omaly. Anisan’ny asa nataon’izy ireo tamin’izany ny nanentana ny olona mba hanao "puisard", indrindra amin’izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra izao. Izany no natao mba hiarovana ny fotodrafitr'asa iombonana. Raha sanatria ka tsentsina mantsy ireny lakan-drano fivarinan’ny ranon’orana ireny indrindra raha tratran’ny sachet plastika sy ireo karazam-pako mavesatra avy any an-tokantrano dia ho tonga ho azy ny tondra-drano ary ireo vahoaka manao izany ihany no hifoteran’ny rambony. Ankoatra ity fitsirihana lakan-drano ity moa dia fantatra fa nalana daholo ihany koa ireo fako nivangongo tao amin’ity kaominina iray ity. Ny Governora’ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa no nanome ny fitaovana nentina nanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’ny fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra avokoa moa izany ankoatra ny fitandroana ny resaka fahadiovana.

Pati
Legende : Nandritra ny fitsirihana ireo lakandrano notanterahin’ireo teknisiana omaly.
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap