airtel

Sosialy

15-févr-2022

Sosialy

Kaominina Talatamaty Hohatsaraina ny fomba fitantanana ny tsena

Sample post image

Hohatsaraina ny fitantanana ny tsena eo anivon’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy ny ben’ny tanana Atoa Elie Dominique omaly.

15-févr-2022

 Ankoatra ny fijerena ireo fanatsarana tokony hatao dia nanatontosa fifanakalozan-kevitra niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ihany koa ny tenany mba hanatsarana ny fomba fitantanana ny tsena. Izany no natao dia mba hialana amin’ny fanapahana mety tsy hankasitrahan’ny vahoaka sy ahitana ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta. Tokony hisy hatrany mantsy amin’ny ankapobeny ny fakana ny hevitr’ireny mpivarotra ireny rehefa misy tetikasa na fanamboarana tokony hotanterahina. Marihina moa fa olona an’aliny no mivelona amin’ny asa fivarotana ho an’ny kaominina Talatamaty. Ankoatra ny tsena lehibe dia manana ny tsenan’ny tantsaha ihany koa izy ireo izay fivarotan’ireto farany ny vokatry ny tany misy ao aminy.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tananan’i Talatamaty nidina ifotony teny an-tsena omaly maraina
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap