airtel

Sosialy

13-déc-2021

Sosialy

Miarinarivo Hazo tsy ara-dalàna 2055 isa no tratra

Sample post image

Ramy, Nato, Sohihy, Vitanina, Rotsa, Varongy. Ireo no karazan-kazo saron’ny Tobim-paritry ny Zandarimariampirenena tao Miarinarivo ny alin’ny talata 7 desambra teo raha hizotra hihazo an’Antananarivo.

13-déc-2021

 Fampitam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nanatratra azy ireo. Fiara lehibe 12 no nitondra ireto hazo 2055 ireto izay nahitana « bedard » sy « travers ». Nirotsaka tany an-toerana avy hatrany ny Sekretera Jeneralin’ny MEDD sy ny Talen’ny Foibem-pitondrana misahana ny Loharanon-karena voajanahary azo havaozina sy ny Rohivoahary (DAPRNE) niaraka tamin’ireo Officiers de Police Judiciaire ary ireo tekinisianin’ny ala sy ireo ekipa misahana ny ady amin’ny kolikoly. Olona 12 no voarohirohy amin’ity raharaha ity ary efa an-tànan’ny mpitandro ny filaminana izy ireo hoy ny vaovao. Ireo hazo kosa dia nogiazana ary efa miroso amin’ny dingana fitoriana ny MEDD. Mihatra hatrany ny « Tolérance Zéro » ho an’ireo tratra mitrandraka amin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo harena voajanahary hoy hatrany ny vaovao azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo hazo tratra
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap