airtel

Sosialy

11-janv-2021

Sosialy

Minisitry ny fambolena « Olan’ny toetr`andro no mahatonga ny vidim-bary miakatra »

Sample post image

Kely ny vokatra tamin` ny 2020 noho ny tsy fahampian` ny rotsak`orana. Io no

11-janv-2021

 

 

 

fanazavan` ny minisitry ny fambolena, ny fiompiana, ary ny jono (MAEP), Lucien Ranarivelo, manoloana ny fisondrontry ny vidim-bary hita eny an-tsena nandritra ny iray volana. Eto an-dRenivohitra dia manodidina 2400 ariary ny vidin`ny vary iray kilao na 700 ariary ny kapoaka. Hatramin`izay dia milatsaka ny orana rehefa volana janoary saingy raha ny toetr`andro amin`izao dia mitovy valaka tamin` ny taona 2017, vanim-potoana niainana hain-tany mahery vaika teto amintsika” hoy ny minisitra, ilazana fa ny fiovaovan` ny toetry ny andro dia miantraika mivantana amin` ny fambolem-bary. Ny faritra Analamanga no voakasika izany ka ny distrikan`Atsimondrano no tena voakasika amin izany indrindra ny kaominina Alakamisy, Soavina… 1 200 amin ireo 2 300 Ha amin` ireo tany azo volena no namokatra nandritra ny fambolem-bary andiany voalohany noho ny tsy fahampian-drano. Ireo distrikan`Avaradrano sy Ambohidratrimo kosa dia tsy ahitana izany. Nambarany hatrany fa ampy kosa ny tahirim-bary izay mamatsy ny tsena anatiny satria faritra sivy eto Madagasiakra dia namokatra vary nandritra ny taom-pambolem-bary andiany voalohany. Mahakasika io tahirim-bary hatrany dia nanamafy hatrany minisitra fa misy amin`ireo mpandraharaha no manararaotra ny zava-misy. “Misy mihitsy ireo manao tahiry. Manentana an`ireo mpandraharaha ireo izahay mba hamoaka ny vokatra any ainy mba ahafahana miantoka ny fahamarin-toeran` ny vidim-bary any amin` ny tsena” hoy izy. Nanao tatitra momba ireo asa vitany amin` ity sehatra ity ny MAEP mba ahafahana manatratra ny tanjona amin` ny fahaleovan-tena amin`ny famatsiana vary. Ny taona 2019 sy 2020, tanimbary 6 150 Ha no navaozina ary 16 350 Ha no natsaraina, hoy ny minisitra. Araka ny antontan-isa avy amin`ny ministeran`ny varotra, 46 580 630 taonina ny famokaram-bary ny taona 2020.

Marigny A.

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

Card image cap
30-avril-2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Card image cap
29-avril-2024

Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Toamasina,

Card image cap
29-avril-2024

Lasa fidiram-bola tsy azo antenaina firy intsony amin’izao ny fandraisana hofantrano isam-bolana,

Card image cap
29-avril-2024

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

Card image cap