airtel

Sosialy

11-mars-2022

Sosialy

Mitaraina ireo tena sahirana Lasa fanaovana bizina ny vatsy tsinjo

Sample post image

Nisavoritaka ireo vahoaka maro izay traboina tao amin’ny fokontany andrefan’ Ambohijanahary nandritry ny fizarana ny tosika fameno sy ny vatsy tsinjo avy amin’ny fanjakana omaly maraina.

11-mars-2022

 Ireo olona traboina izay tokony hisitraka ny fanampiana no lasa ao ambadiky ny lisitra ny anarany raha nambaran’ireo vahoaka nitabataba naneho ny heviny. Ny fandaminana napetraky ny komitim-pokontany mihitsy no tsy nazavaina tamin’ireo vahoaka no antony fikorontanana . Fokontany telo no indray natambatra hizarana ny fanampiana ka efa nisy ny fangoronana karne teny anivon’ny fokontany mialohan’ny fizarana izay efa tsy nampahafantarina ireo mpahazo tombotsoa ny laharana sy ny toerana hakana ny fanampiana. Raha ny nanambaran’ireo vahoaka hatrany dia misy mamarotra 15 000 ariary ny tapakila ahafahana mahazo ny fanampiana avy amin’ny fanjakana io ary mbola isan’ireo voadingana hatrany izy ireo . Nilaza izy ireo fa efa alina vao nizara ny tapakila ny vaomieran’ ny fokontany . Nampanontany tena ireo fokonolona hatrany ny vola nozaraina avy amin’ny fanjakana mitentina 60 000 ariary ary ny vary sy ireo kojakoja mandinika izy efa manomboka mihena . Mangataka ireo mponina ny hamerenana ny fakana ny lisitra misy ny anaran’ ireo tena traboina satria ireo olona tsy natory tao amin’ny toerana voatokana ho an’ny traboina indray no betsaka nahazo ny fanampiana. Niezaka nanontany ny lehiben’ny vaomiera ny mpanao gazety momba ny fandridrana ny fizarana ny tapakila saingy tsy nety nitondra fanazavana izy ireo. Naharitra ora maro ny savorovoro teny amin’ny ANS Ampefiloha omaly nandritra ny fizarana fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ireo traboina .
Tolin
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

Card image cap
30-avril-2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Card image cap
29-avril-2024

Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Toamasina,

Card image cap
29-avril-2024

Lasa fidiram-bola tsy azo antenaina firy intsony amin’izao ny fandraisana hofantrano isam-bolana,

Card image cap
29-avril-2024

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

Card image cap