maharitra eto Antananarivo tato anatin'ny herinandro teo. Misy ny mitsitapitapy fa misy ny maharitra adin'ny iray hatramin'ny adin'ny telo isaky ny fahatapahana. Na ny programam-pahatapahana avoakan'ny JIRAMA aza ahitana foana tato ho ato ka fanamboarana no isan'ny ambara fa antony. Ny alahady teo izay nifanandrify tamin'ny orana somary natevina tamin'ny toerana maro teto afovoan-tany dia nambara fa noho ny andro ratsy izay nahatonga tsy fahatomombanan'ny zotra mitondra herinaratra mahery vaika mampitohy ny PIA Ambohimanambola amin'ny sous-station Tana-Nord Antanandrano ka nitarika fiatoan'ireo vata mpanova herinaratra lehibe TR7 sy TR8 ao amin'ny PIA Ambohimanambola no niteraka fahatapahana. Mbola namafisina omaly, fa tsy ampy ny tanjaka amin'ny zotra mahery vaika 63kv mampifandray an'Ambohimanambola sy Ambodivona ka miteraka tsy fahatomombanan'ireo vata mpanova herinaratra TR7 sy TR8 ao amin'ny foibe fihaonan'ny Tambazotra iraisana (Poste d'Interconnexion) ao Ambohimanambola, hoy ny Jirama. Misy fikorontanana araka izany ny famatsiana herinaratra ao amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Efa nambara ihany koa ny alahady teo, fa tapaka nanaraka izany ihany koa ny famatsiana avy amin'ireo milina mpihary herinaratra efatra tao Andekaleka. Nambara fa am-perinasa manarina izay mety tsy fahatomombanana ireo teknisiana . Tsy ho ela dia hiverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, hoy ny Jirama tamin'izany. Namoaka fampitam-baovao momba ny fanapahana herinaratra noho ny ambara fa asa fanamboarana sy fanatsarana ny famatsiana ihany koa ny minisiteran'ny angovo ny zoma teo. Ny zoma lasa teo sy omaly alatsinainy ny fandaharam-potoana nivoaka. Tsy dia nisy fahatapahana firy tao anatin'ny 5 volana, ary azo lazaina fa voafehy sy nilamina kokoa ny fifehezana azy. Fifandrifian-javatra ihany ve hoe: nisolo ny Minisitry ny Angovo sy ny akoran'afo dia somary niverina ny olana? Misy fifanolanana amin'ireo sehatra ara-toekarena vahiny matanjaka mpamatsy ny Jirama? Tsara ny mampahatsiahy fa nisy ny fanamby sy fifampiresahana hanapahana ireo fifanarahana mamono antoka ka mandeha ve ny don-tandroka noho ny tombotsoan'ny matanjaka ? Asa na olana teknika tsotra tokoa na misy antony avo lenta hafa fa ny tsapa dia somary miverina ny fahatapahana izay tokony hofehezina satria azo natao tsara ihany ny nampandeha ny herinaratra tao anatin'ny 5 volana. Sehatra isan'ny stratejika sy tokony ho taratry ny fiandrianam-pirenena rahateo io saingy ny vahiny no mifehy azy hatreto amin'ny ankampobeny. Efa misy ny ezaka samihafa makany amin'ny fiovana ara-angovo amin'ny alalan'ny masoandro izay tokony hotohizana toy ireo natao amin'ny oniversitem-panjakana izay mampihena tsikelikely ny vesatra. Mila hafainganina ihany koa ireo tetikasa lehibe toa an'i Volobe sy Sahofika. Mila manangana tena antsika mahaleotena. Tsara ny mampahatsiahy fa iray amin'ireo antony lehibe nitarika ny hetsi-bahoaka tamin'ny septambra-oktobra 2025 ny resaka olan'ny herinaratra.
Toky R