airtel

Sosialy

02-juil-2021

Sosialy

Mpiasa niharan’ny herisetra tany Liban sy Koweit “Tsy fahaizana teny no fototr’olana”

Sample post image

Niara-niatrika kaongresy tamin’ny sendikan’ny mpiasa an-trano Malagasy tetsy Ampefiloha omaly ireo mpiasa an-trano mivondrona ao anatin’ity sendika ity izay niasa tany ivelany toa an’i Liban sy Koweit.

02-juil-2021

 Nifanena tany Liban izahay ary ny fahitana ireo mpiasa namana niharan’ny herisetra sy tsy nahafantatra ny tokony ataony akory manoloana ny olana ara-kasa misy azy no nahatonga anay nanangana sendika na SENAMAMA tamin’ny 2 taona lasa, hoy izy ireo, ho fiarovana sy fampahafantarana ny zon’ny mpiasa an-trano. Antony nahatonga ireo mpiasa sasany tonga tany ivelany ho niharan’ny herisetra, hoy i Rebecca Dera, izay avy niasa tany Liban, dia satria misy ireo “agence” na mpampiditra mpiasa izay mandray ny hitany na mahay na tsia. Rehefa tsy mahay ny teny ilay mpiasa dia tokony tsy mankany amin’ilay firenena satria asa an-trano no atao. Hiresaka amin’ilay olona mivantana. Krizy ilay mpampiasa rehefa tsy misy azon’ilay mpiasa ny teniny satria vola be no nankany anao avy aty Madagasikara. Misy mpampiasa manam-paharetana miezaka mampianatra ilay ankizy dia maro amin’ireo ankizy tsy mahay tenim-pirenena hafa no lasa tonga dia mahay teny arabo mivantana. Misy koa ireo mifanena dia mifampitari-dratsy sy manao ditra ary lasa iharan’ny olana isan-karazany. Misy fiantraikany amin’ny asa izany avy eo. Ny anton’ilay hoe mpampiasa mamono ho faty indray izao raha ny hitako tamin’ny tambazotran-tserasera dia hoe nikapoka ny zanaky ny mpampiasa. Tsy azo kasihin-tanana ny zanaka mpampiasa any. Mitovy amin’izay koa ny tany Kowett, hoy ny fanazavan’i Liciana Aimé, mpiasa tany an-toerana. Raha tamin’ny toerana niasako aloha dia nilamina. Na ny resaka “contrat”, ny fatoriana, ny sakafo, ny fifohazana dia ara-dalana daholo. Mila manetry tena satria mitsapa ireo mpampiasa. Tsy ilaina ny mangala-pihinana, ny maka zavatra tsy nomena, mila miezaka mandrakitra an-tsoratra ireo teny miasa ao an-trano isan’andro. Manitsy ny mpampiasa. 3 taona aho tany Liban dia 2 taona Koweit. Naloha ara-dalana hatrany ny karama isaky ny tapitra ny fifanarahana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

Card image cap
30-avril-2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Card image cap
29-avril-2024

Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Toamasina,

Card image cap
29-avril-2024

Lasa fidiram-bola tsy azo antenaina firy intsony amin’izao ny fandraisana hofantrano isam-bolana,

Card image cap
29-avril-2024

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

Card image cap