airtel

Sosialy

31-mars-2026

MPIASAN'NY ORINASA KRAOMA

Tsy mbola nandray karama

Sample post image

hatramin'ny taona 2019

31-mars-2026

Tsy mbola nandray karama foana hatramin'ny taona 2019 no mankaty ireo mpiasan'ny orinasa Kraomita Malagasy eto Antananarivo sy any Brickaville. Mamelom-bady aman-janaka, manofa trano, mampiana-janaka, mandoa jiro sy rano...avokoa anefa izy ireo. Nivoaka tamin'ny fahanginana indray araka izany izy ireo omaly ka namoaka sora-baventy manoloana ny vavahadin'ny orinasa tamin'ny alalan'ny sendika Syntramad sy Sympimad. Nambaran'izy ireo fa tamin'izao Fitondrana fanavaozana izao vao tafaverina amin'ny mpitondra ny volan'ny orinasa Kraoma izay mitentina 4 tapitrisa dolara. Mangataka amin'ny Filohan'ny fanavaozana Randrianirina Mickaël araka izany izy ireo ny mba hijerena azy akaiky izay hialohavan'ny fihaonana mivantana mihitsy hisian'ny Serasera. Notsiahivin'ireo mpiasa moa fa vonona izy ireo ny hiara-kiasa sy hifanome tanana amin'izao Fitondrana mijoro izao ho fampandrosoana ny Firenena. Tamin'ny taona 1969 moa raha tsiahivina no niorina teto amintsika ny orinasa Kraomita Malagasy. Tena mampidi-bola betsaka ho an'ny fanjakana izy amin'ny alalan'ny asa tanterahiny amin'ny fitrandrahana Kraoma izay nambaran'ireo mpiasa fa tsy tokony hatao ambanin-javatra.
Pati
Légende : Nitokona namoaka sora-baventy mangataka ny handoavana ny karamany ireo mpiasa !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap