airtel

Sosialy

04-oct-2021

Sosialy

Mponin’Anosibe Andrefana I Tsy manaiky ilay fikasana handrodana trano

Sample post image

Nanararaotra nanao fanambarana manoloana ny heverin’izy ireo ho tsindry hazo lena mahazo azy tetsy amin’ny lisea tekinika Ampefiloha ny sabotsy teo ireo mpivarotra etsy amin’ny tsenan’Anosibe

04-oct-2021

, fokontany Anosibe andrefana I, izay mikambana ao anatin’ny fikambanan’ny terak’I Vankinankaratra nandritry ny fifidianana izay ho filoha vaovaon’ny FITEVA. Miantso ny filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany eo anivon’ny antenimieram-pirenena sy ny depiote misahana ny boriboritany faha 4 ary izay andrim-panjakana ambony voakasika izy ireo mba hijery akaiky ny mahazo azy. Efa 20 taona mahery izahay no teo amin’ny toerana misy anay kanefa taty aoriana, hoy izy ireo, dia nisy olona tonga nilaza ho tompon’ny toerana. 25 taona taty aoriana. Izany hoe, ny taona 2019 ilay olona no nilaza fa tompon’ny toerana nefa olon-tokana antsoina hoe Rabemananandro Mahasoa Jean Robert. Ny taona 1930 izy io no nisy nanajary farany ary io rangahy io ihany no nanajary azy. Gaga anefa ny fokonolona taty aoriana fa nisy olona sahy niteny hanao fandrodanana na “demolition” tsy ara-drariny, hoy hatrany izy ireo. Miangavy ireo tomponandraiki-panjakana, noho izany, izy ireo mba hidina hijery ifotony ny zava-misy. Mirefy 25a ny tany ary 50 tafo izahay no mipetraka eo, hoy izy ireo. Trano hazo no ipetrahanay. Ny 8 aprily 2021 ry zareo no efa nanandrana nanongana anay teo fa tsy naha ongana. Mandry an-driran’antsy izahay amin’izao fotoana izao. Nisy fitarainana nalefanay tany amin’ny sampan-draharaha mandray izany na “doléance” fa tsy nahitam-bokany. Miantso ny filoham-pirenena sy filohan’ny vaomieran’ny fananantany eo anivon’ny antenimieram-pirenena izahay fa tena mahantra, hoy hatrany izy ireo. Nilaza koa ireto solontenan’ny mponina ireto fa tsy mandray ny andraikiny ny filohan’ny fokontany izay tokony hiaro ny tombontsoan’ny vahoakany satria nivarotra ny tanin’ireo mponina tamin’olon-tokana indray no nataony. Nanamafy izy ireo fa tsy manaiky hatrany ny fikasana handrodana ny fonenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap