araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Araka ny nambaran'ny sefo fokontanin’i Tsiazopody, Moramanga dia efa tamin'ny taona 1901 no efa nisy fokonolona tao Tsiazopody fa ny fandraharahan'ny fonjan’i Moramanga, ny taona 1972 , no rehefa tsy nanana tany tao dia nangataka tamin'ireo razambe taloha. Nanome 5 ha ireo razambe ireo, hoy hatrany ny fanazavana, ka tsy nasiana taratasy fa natao am-pitokisana. Efa nisy dingana maro nataon'ireo vahoaka ary efa niakatra fitsarana. Misy tamin'ireo vahoaka no nogadraina ny taona 2014. Ny 21 Desambra 2020 teo dia tonga tao Tsiazopody ireo fandraharahana ny fonja sy ny eo anivon'ny fananan-tany na « Domaine » ao Moramanga andeha hametaka baorina ka tsy nanaiky ny vahoaka satria mahatsapa ny tsy mety. Fifanarahana fotsy na « convention en blanc » no nomena 3 andro mialoha, ary noterena ho ny sefo fokontany no nameno izany. Nanohitra ny fokonolona tamin'io 21 Desambra 2020 io saingy basy no niandry satria zandary miisa 2 sy mpandraharahan’ny fonja miisa 12 miaraka amin'ny basy no tao. Nanao hetsika ny fokonolona ny 28 Desambra 2020 ka nilanja sorabaventy sy nanapoaka sarom-bilany ary nandoro kodiarana saingy tsy nohenoin’ny fanjakana. Hitohy ny hetsika. Rehefa nanotaniana ny tonian'ny mpampanoa lalàna ao Moramanga dia nilaza fa 183 ha no tanin'ny fandraharahana ny fonja ary tsy tafidtra ao ny fasana sy tranon'ireto olona ireto. Efa nomen'ny fandraharahan’ny fonja 30 andro moa ireto vahoaka ireto nanomboka 21 desambra 2020 ka nilaza fa hiha mafy ny hetsika rehefa tsy mihaino ny fanjakana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.
Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana
Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,
Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe