airtel

Sosialy

25-avril-2022

Sosialy

Naivo Raholdina mivady sy ny FAFI-5 Nanitatra ny “Fondation Fanantenana”

Sample post image

Ho fampitomboana ny fanampiana ireo tena mahantra sy sahirana eny amin’ny boriborintany fahadimy sy ho an’ireo toeran-kafa izay jerena manokana dia natsangana sy notokanana tamin’ny Paska ny 17 aprily teo ny Fanantenana

25-avril-2022

Mahatehonina, trano fandraisam-bahiny na “Chambre d’hôtes” tao Ivory Mangarivotra Antsirabe , tao aorian’ny nisokafan’ny Fanantenana Mahatehonina Nanisana Antananarivo , Fondation Fanantenana, izay tarihin’ny filohany, Hanitriniala Fanantenana Raholdina, ka ny vola miditra amin’ireo dia hanampiana indrindra ireo tena sahirana, hoy ny fampitam-baovao voaray. Entina hanampiana ny tena mahantra sy sahirana eny amin’ny boriborintany fahadimy sy any amin’ny toeran-kafa izay mety hojerena manokana ka anisan’izany ny eny Antsirabe izany. Tonga nitokana sy nanotrona izany ny ben’ny tanànan’Antsirabe voalohany sy ny ben’ny tanànan’Andranomanelatra niaraka tamin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, Naivo Raholdina mivady. Ilain’ny tanànan’Antsirabe ny toerana toy izao amin’ny maha tanàna be vahiny azy indrindra amin’ny andro fety. Filamatry ny Fanantenana FAFI-5 ny hoe “Miaro sy manasoa vahoaka” ka ho fampitomboana ny fanampiana ho an’ireo tena sahirana indrindra amin’izao faha 15 taonan’ny fikambanana izao dia nitarina ny “Fondation Fanantenana” mba ho fanampiana maharitra satria Politikam-panasoavana no andrandrainay mivady , araka ilay Filamatra manao hoe :”Aza manao kely tsy mba mamindro”, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ity fikambanana ity, Hanitriniala Fanantenana Raholdina.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap