airtel

Sosialy

18-janv-2021

Sosialy

Nandositra ny kere Efa misy tonga any Nosy-Be

Sample post image

Efa misy tonga any Nosy-Be ireo mponina nitsoaka ny kere avy any amin'ny faritra Atsimo.

18-janv-2021

 

 

 

 Avy any Bekily ireto andiany voalohany tonga ireto fa maro no miampita miazo an’i Nosy Be isan'andro ary zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Manan-kavana ao an-toerana ny sasany amin'izy ireo. Noraisina tao amin'ny Kaominina izy ireo ary nanaovana fanadihadiana tsotsotra mba ahafantarana ny mombamomba ny tsirairay sy izay handray azy ireo mpifindra monina ireo ao Nosy Be. Manahy ny mety hitomboan'ny tsy fandriampahalemana sy fahasimban'ny tontonlo iainana ny Ben'ny tanàna Vita Gilbert. Nanolotra vary ho azy ireo ny solombavambahoaka Razafindravony Marifidy Christine natao sakafo omaly. Samy nanolotra lelavola ihany koa izy sy ny Ben'ny tanàna nividianana laoka.

Nangonin’i Jean D.

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap