airtel

Sosialy

22-juin-2021

Sosialy

Patrick Raharimanana “Ny Fanjakana ihany no mampiaka-bidy ny PPN”

Sample post image

“PPN, ny fanjakana ihany no mampiakatra ny vidiny”, io fanehoan-kevitra nentin’Atoa Patrick Raharimanana omaly eo anatrehan’ny fidangan’ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ankehitriny

22-juin-2021

. “Tsy mitsaha-miakatra avokoa ny vidin'entana ilaina andavan'andro na PPN, izay ny 90% dia vokatra hafarana avy any ivelany avokoa. Toy ny resaka lavanila ihany koa, dia hitsabahan'ny fanjakana ny famerana ny vidiny ambany indrindra amin'ny entana ampidirina, ka na tsy niova aza ny tahan'ny hetra sy haban-tseranana takiana amin'ireo mpanafatra entana (% taxe), dia nasian'ny fanjakana fetra ny vidin'entana, ka na ambany aza ny faktioran'ny entana afarana, dia efa misy fetra ambany hakan'ny fanjakana hetra isaky ny entana, hoy ny fanehoan-keviny. Mazava ho azy, fa ny mpanafatra entana tsy maintsy ampiditra anaty masokarenany ny haba sy ny hetra alaina aminy, ka anaraka hiakatra arak'izay koa ny mpampongady, sy ireo épicerie na mpivarotra enta-madinika. Tsy mahagaga raha miakatra hatrany ny vidin'ny menaka, efa aman'aliny iray vao mahazo ny tsara, ny vy, ciment, loko, ny fiara afarana, ireo akora famokarana rehetra dia niakatra avokoa. Omena tsiny hatrany ny sandam-bola fa etsy ankilany ny Fanjakana izay banky ropitra sy tsy manam-bola dia any amin'ny mpanjifa no miala vokona, dia ny ministeran'ny varotra moa no mody alefa mitety tsena sy andrahona mpivarotra, fa tsy misy vaha olana maharitra mahakasika ny vidin'entana. Taorian'ny hamehana ara-pahasalamana dia efa fantatra fa hisy krizy ara-bola ny fanjakana satria tsy niditra ny hetra, ny olona tsy nisy niasa sy namokatra, hatreto tsy hita izay fepetra matotra aroson'ny fanjakana hiatrehana ny fitotonganan'ny toe-karena fa variana maneho fotodrafitrasa etsy sy eroa fotsiny, izay mety tsara endrika, fa tsy misy fiantraikany firy amin'ny vilanin'ny olona sy ny toe-karena ankapobeny. Toy ny zaza noana, dia andefasana “dessin animé” mba hanadinoany ny hanoanany ka ampitony ny vavony keliny. Misy ny vahaolana azo atao, toy ny fametrahana ireny harena ananantsika ireny amin'ny fanohanana ny orin'asa, ny indostria famokarana eto an-toerana ireo PPN, ny fanohanana ny fambolena, fiompiana, jono, ny asa tanana. Manana lavanila isika, boaderozy, solika, volamena, nefa mpandraharaha akaiky fitondrana irery no te hifehy azy, ka lasa mangetaheta ambony lakana fotsiny ny Malagasy 25 tapitrisa mijery ireo fiara 4x4 raitra mameno ny tanàna, hoy hatrany Atoa Patrick Raharimanana.
Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap