airtel

Sosialy

06-juil-2021

Sosialy

Paul Rabary “Tokony ampitomboina avo roa heny ny sazin’ny mpanolana”

Sample post image

Rivotra mitsoka avy any am-pitan-dranomasina ny LGBT ary samihafa amin’ny resaka fanolanana izay mirongatra eto ankehitriny koa izany, hoy ny fanazavan’ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

06-juil-2021

 
 Ny tena marina aza dia ilay resaka BT sisa no olana any am-pitan-dranomasina, hoy izy. Efa ekena any ilay hoe LG na mitovy fananahana mifanambady. Aty amin’ilay BT sisa apetrak’izy ireo ho olana satria izaho izao vao nahita hoe any Espagne, ankizy 16 taona dia efa afaka mangataka amina alalana taratasy tsotra hoe hivadika lahy na vavy. Fiovana anthropolojika be izay efa tonga eto io saingy na odiantsika tsy hita na tsy ekentsika dia lasa tsy hitantsika. Olona manana fahefana amina sehatra rehetra na mpanao politika na mpitondra na mpitondra fivavahana sy izay rehetra heverina olona afaka manova ny fomba fijerin’ny fiarahamonina dia efa betsaka no tafiditra ao. Izany hoe misy ilay atao hoe “lobbying” koa ao anatin’ilay ary efa tafiditra anaty diary politika io ka sarotra ny miresaka azy ary afaka mifankahita isika fa atsy ho atsy isan’ny fepetra apetraka ahazoan’ny tany mahantra vola ny fanekena an’io. Afaka mifankahita amin’izany isika afaka taona vitsy ary efa ifampiadian’ny eoropeanina izany izao. Ny fanolanana kosa matoa mirongatra dia satria efa jifaina amin’ny sehatra rehetra eto Madagasikara ny horonantsary mamoafady. Misy olona tsy mahafehy tena satria mety tsy manam-bady na tsy afa-po amin’ny vadiny intsony na tsy manam-bola akana mpivarotena na efa tsy afaka miray aminy intsony ny vadiny. Izany hoe ny toerana misy ny olona tsirairay miampy ny fahafaha-manjifa ireny mamoafady ireny no miteraka filana tsy voafehy. Tadidio fa isan’ny tsena na “commerce” voalohany eto amin’izao tontolo izao ny “pornographie” raha toa ilay LGBT teo efa tafiditra anaty diary politika. Ny vahaolana amin’io resaka fanolanana io amiko dia ampitomboana avo roa heny na mihoatra ny sazy ho an’izay tratra manao azy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap