airtel

Sosialy

24-août-2021

Sosialy

Randrana sendikaly “Hitokona mandra-pahatongan’ny vola any am-paosiny ny mpiasa”

Sample post image

Tsy vao anio ny Randrana sendikaly no niresaka ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana anabakabaka eto Madagasikara na ACM,

24-août-2021

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo Barison Rakotomanga, tetsy amin’ny minisiteran’ny fizahantany etsy Tsimbazaza omaly. Tadidintsika ny hetsika nataonay nandritry ny fitantanan’ny minisitra teo aloha, hoy ny Randrana. Tamin’izany no hoe inona no fepetra raisina ho fanavotana? Nitsangana tamin’izay ny komity ho fanokafana ny lanitra. Tsy hita ilay izy. Nisy amin’izao fotoana izao ilay tsy mbola fandraisan-karaman’izy ireo ka antony tsy maintsy nanaovana fitokonana. Tokony tamin’ny alakamisy izahay no efa nitokona. Niavaka ny fitokonana tamin’ity satria ny minisitra mihitsy no tonga taty. Izao angamba vao tena fantatry ny mpitondra fa olana goavana ny ato amin’ny ACM. Ny resaka karama dia efa namolavola soson-kevitra ny taty amin’ny fitantanana ankapobeny sy ny mpiasa. Efa nisy ny dingana natao rehetra fa tsy tonga tany amin’ny tanjona. Mandeha ankehitriny ny dingana hahazoana ny karaman’ny mpiasa mbola tsy voaray. Sarotra ny tonga dia hino hoe 100%. Mbola tsy an-tanan’ny mpiasa ilay izy. Zava-dehibe na izany aza ny fahatongavan’ny minisitra eto satria dia midika hoe milamina aloha ny mikasika ny karama mandra-pahatonga ny faran’ny taona. Fohy ezaka izay. Faharoa ny paikady mikasika ny fanarenana sy famerenana ny ACM amin’ny sehatra efa nisy azy teto anivon’I Afrika manontolo. Ny lavitra ezaka izay voizinay foana kosa dia ny fisokafan’ny lanitr’I Gasikara. Efa voizin-drizareo eo anivon’ny UCTM na ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany koa io. Tokony hafainganina ny fanokafana ny lanitra satria miankina amin’izany ny fampandehanana ny fitanterana rehetra. Ao ny Air Madagascar, ny Sofitrans, ny Tsaradia sy ny rehetra. Ny vakisiny rahateo efa voizintsika rehetra. Mbola hitokona anefa ny mpiasa mandra-pahatonga ny vola any am-paosin’izy ireo. Mila fanarenana fa potika ny ACM, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap