airtel

Sosialy

08-nov-2021

Sosialy

Randrana sendikaly – USAM – SVS “Tokony soniavina ny fifanarahana C 176 …”

Sample post image

Misy ny naoty navoakan’ny tale jeneraly misahana ny asa mikasika ny fanitarana ny fifidianana delegen’ny mpiasa, hoy ny fampahatsiahivana avy eo anivon’ny Randrana sendikaly-USAM-SVS omaly,

08-nov-2021

 tetsy amin’ny biraony etsy 67ha. Samy nanana ny fandroritany an’io ny orinasa rehetra, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Ireo orinasa mbola tsy manana delegen’ny mpiasa mihitsy dia mieritreritra fa tsy fotoana tokony hifidianana izany izao. Izay no hiheveran’ny sasany azy. Ny sasany indray miheritreritra hoe na tsy misy intsony aza ny solontenan’ny mpiasa ao aminy fa voaroaka, ohatra, dia mbola mipetraka ihany ny an’ilay mpampiasa hoe tsy tokony mbola atao ny fifidianana satria misy ity naoty navoakan’ny fitantanana ankapoben’ny asa ity. Ny fahatelo moa dia misy ireo delege efa lany fotoam-piasana ary ireo mpiasa aza efa mampiasa fa tsy mirindra intsony ny fifampiresahana na “dialogue sociale” saingy mbola tsy miroso amin’izay fifidianana izay na dia ao anatin’izany filana fifampiresahana izany ho fampandrosoana ny tontolon’ny asa aza isika izao. Efa vitanay ny fitetezam-paritra nihainoana ny fitarainan’ireo mpiasa ka hitaky ny fampiantoana io naoty mikasika ny fanitarana ny fotoam-pifidianana io amin’izay izahay. Fotoana tokony hidirana amin’ny hoe fanarenana toekarena sy famerenana amin’ny laoniny ny orinasa tsinona ka antony hitakianay mafy ny fisian’io fifanakalozana sosialy io. Niroborobo ny resaka herisetra tao anatin’izay hahamehana izay ka antom-pisian’ny fifanarahana 190 mikasika ny herisetra eny amin’ny toeram-piasana. Fifanarahana iraisampirenena mbola tsy namoahan’I Madagasikara fampiharana anefa izany fifanarahana vaovao natsangana ny taona 2019. Efa nanao hetsika mikasika ny fifanarahana iraisampirenena laharana 176 koa izahay mikasika ny aroloza sy fahasalamana eny amin’ireo toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Tokony hanasonia izany koa I Madagasikara satria ny firenena Malagasy dia nametraka fa isan’ny lohalaharana amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fitrandrahana izany. Nanao fandinihana mikasika fifanarahana miisa 3 izao ny minisiteran’ny asa fa maninona no tsy nampidiriny ao io C 176 io? Misy fanerena ataon’ireo orinasa goavana ve ao ambadik’izany, hoy hatrany ny fanazavana sy fanontanian’ny Randrana sendikaly ?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap