airtel

Sosialy

23-nov-2021

Sosialy

Reniranon’i Fatihita Mirohotra mitrandraka volamena ny olona

Sample post image

Tao anatin'ny volana maromaro izay dia nisy olona vitsivitsy teny amin'ny manodidina an'i Fatihita nanivana volamena tao amin'ity renirano manamorana ny lalàmpirenena faha-7

23-nov-2021

 ity izay tsy lavitra ny tanànan'Ambositra, raha ny fanamarihana avy any an-toerana. Tao anatin'ny herinandro anefa izany dia niha niely ny feo, fa misy volamena amin’ity renirano ity, hany ka nirongatra izay tsy izy ny olona tonga mitrandraka izany. Loza mitatao amin’ny tontolo iainana anefa io satria hiteraka faharavana sy fahasimban'ny tontolo manamorana an'ity renirano sy renirano mihitsy, hoy ny fanamarihana. Ny rano efa manomboka ritra noho ny tsy fisian'ny orana dia tonga indray ireto andian'olona marobe ireto hangadingady lavaka manamorona ny sisin'ny renirano sy ao anaty rano. Asa izay ho fanapahan-kevitry ny fahefam-panjakana isan'ambaratongany manoloana ity fitrandrahana volamena ao amin'ny reniranon'i Fatihita ity. Samy hanana ny fijeriny araka ny laka hitsinjovany avy mantsy hoe: avelao izahay mba hitady fa krizy izao, ny asa tsy misy,… Ny fiantraikany anefa mety hiteraka fahapotehana lehibe ny fisiana fitrandrahana tsy ara-dalàna sy gaboraraka, ary tsy tanety na toerana tsotra fa renirano no hanoavana izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap