airtel

Sosialy

15-nov-2021

Sosialy

Resaka famonoana omby Nifampitory izy mianadahy mpiraitampo

Sample post image

Mpiraitampo iray kibo no nifampitory noho resaka nobo vono ombivavy tany Anjagnoveratra Antsampanamahazo distrikan’i Sambava, ny herinandro lasa teo.

15-nov-2021

Raha ny loharanom-baovao azo dia ny notetitetehan’ny anabavin’ilay rangahy iray monina ao an-toerana, ny ombivavin’ity farany, ka maty. Tsy fantatra mazava anefa ny tena fototra nahatonga ny ady. Nitory ilay rangahy ary nalain’ny zandary natao famotorana, hatramin’ny alarobia teo, ilay anabaviny nahavita namono ny ambony. Niparitaka be tao an-tanàna moa ny raharaha ka niditra an-tsehatra ihany koa ny fianakavian’izy ireo. Tonga hatramin’ny fanarian’ny vadin’ilay vehivavy namono ny ombin’ny anadahiny mihitsy moa ny raharaha. Amin’ity herinandro vaovao ity no hiakatra fitsarana ny raharaha.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap