airtel

Sosialy

06-août-2021

Sosialy

Sata mifehy ny asa Ahiana hampikorontana

Sample post image

Nanomboka ny volana novambra 2020 ny Randrana sendikaly no nikirakira ny tokony hanatsarana ny sata mifehy ny asa eto Madagasikara, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barison Rakotomanga.

06-août-2021

 Efa tokony hisy ny fanovana satria tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony ny voarakitra ao, hoy izy. Nisy moa ilay santatr’asa na “avant projet” tokony nalefa tany amin’ny CNT. Nihemotra io filankevitra nasionaly momba ny asa io dia nahafahan’ny sendika nanavao sy nanamafy ireo fanadihadiana tokony mbola hatao. Tsy tokony hiolonolona foana hiainga fotsiny amin’ny zavatra hita kely eo isika. Tokony jerentsika ny zava-misy marina eny amin’ny toeram-piasana eny dia mampitovy ny sata mifehy ny asa eto any amin’ny firenen-kafa. Miara-miasa amin’ny sendikan’ny mpitsara isika dia nandrafitra izay atao hoe “droit comparé” izay dia vita ilay izy. Ny farany moa dia nandefa taratasy tany amin’ny minisitera hanolotra io volavolana soson-kevitra io izahay dia miandry ny valin’izany hatramin’izao. Ny heno aza moa dia hoe tsy handray ny volavolan-kevitra avy aty aminay zareo fa hoe tsy vovonana maha solontena ireo mpiasa ny sendika. Eto Madagasikara anefa tsy misy lalana mametraka izany vovonana izany. Ny misy eto dia fifandaminana sendikaly hisolotena ny mpiasa, izany hoe, ny sendika iray dia manana delegen’ny mpiasa 10% mihoatra amin’ny isan’ny delegen’ny mpiasa eto Madagasikara. Mety tsy ho olana aminay na handray izy na tsia fa izahay miheritreritra fa hery mpanolon-kevitra ny sendika ka antony hisisihanay amin’izay fahafaha-manolon-kevitra izay. Tsy zavatra kely tsotsotra ity fa miresaka ny ain-dehiben’ny mpiasa. Aman-taonany isika vao afaka hikitika an’io. Tokony ho afa-nenina amin’ny fandinihana ny rehetra vao alefa any amin’ny CNT sy ny hafa ity fanitsiana ny sata mifehy ny asa ary raha sanatria tsy handray moa ry zareo dia miditra amin’ny fandresen-dahatra eny amin’ny antenimieram-pirenena izay natao handany azy io izahay. Efa traikefa nandalovan’ny mpanao gazety tamin’ny resaka sata mifehy ny fifandraisana izay niafara tamin’ny hetsi-panoherana io ka tsy maintsy hiafara amin’izany koa ny anay raha ohatra miziriziry hampihatra an-kery ilay soson-kevitra amin’izao fotoana ireo manam-pahefana, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap