airtel

Sosialy

18-févr-2022

Sosialy

Savorovoro tany Nosy Varika Tezitra ireo traboina, nirefodrefotra ny basy

Sample post image

Raikitra ny sakoroka tany Nosy Varika omaly. Tezitra mafy ny vahoaka traboina ka nitokona niandry sy nitaky ny voalaza fa anjara fanampiana ho azy vokatry ny fampanantenana nataon’ny Mpitondra.

18-févr-2022

 Nilaza ho noana ireo vahoaka lasibatry ny rivodoza Batsirai satria mbola tsy nisitraka fanampiana avy tamin'ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina izy ireo ka nanohy ny fitokonana, ary niafara tamin’ny famakiana ny "Magasin de Stockage" misy ny vary heverin’izy ireo fa nataokana ho an’ny traboina rehefa maty ny masoandro. Poa-basy nirefodrefotra kosa no setrin'izany tao Nosy Varika manoloana ny biraon'ny Distrika, nangotraka ny sakoroka ny alin’io omaly alakamisy 17 Febroary io. “Tsy nahafaly ireo vahoaka traboina ny fanomezana fanampiana kiantranoantrano ka izany no anton'ny fihetseketsehana ary milaza ny vahoaka any Nosy Varika fa tsy mbola nisy poa-basy tao Nosy Varika raha tsy izao”, hoy ny fampitam-baovao. Mampahafantatra sy manao antso avo amin'ny Filoham-pirenena ny vahoaka ao Nosy Varika fa tsy mbola nisitraka ny vary 64 taonina nalefa avy tany Mahanoro fa ireo olona akaiky ny tompon'andraikitra (olom-boafidy sy manampahefana) no nahazo tamin'izany, hoy ny fanamarihana. Endriky ny fahantrana lalina sy fahoriam-bahoaka ny tahaka izao. Io ihany koa no isan’ny fiantraikan’ny fitezana vahoaka amin’ny resaka kizarazara sy kitolotolotra. Ny rehetra no efa samy mahatsiaro ho sahirana, kanefa misy ny mahazo ary misy ny tsy mahazo. Ilaina ny fanampiana vonjimaika amin’ny fotoana tahaka izao, saingy mila mitady vahaolana maharitra, mila hatsaraina ny politikam-pamokarana, fa raha izao hatrany no hitezana vahoaka, izay matetika misy kajikajy politika, dia tsy ho tafavoaka isika na afaka 60 taona aza. Tsy tokony hararaotina sy taingenana amin’ny kajikajy politika ihany koa ny fahorian’ny Malagasy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap