airtel

Sosialy

27-déc-2021

Sosialy

SOANIERANA IVONGO Trano 391 isa no ravan’ny afo

Sample post image

Nitrangana haintrano mahatsiravina tany amin'ny fokontany Ambinany, distrikan’i Soanierana Ivongo ny 24 Desambra lasa teo.

27-déc-2021

Mitontaly 391 tafo ireo trano rava sy kilan'ny afo nandritra izany noho ny antony tsy fantatra. Tranona mpamongady (grossiste) ny 90 tamin'ireo trano may ireo hoy ny vaovao. Mahatratra 1955m2 ny velaran-tany misy ny fahapotehana izay sady nahavarana vola no nahasimbana fananana ihany koa. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy saingy 10 kosa ireo olona naratra nandritra ny famonoana ny afo. Raha tsiahivina mantsy dia nanomboka tamin'ny 5 ora sy sasany hariva ny afo raha tamin'ny 11ora alina vao tonga ny sampana mpamonjy voina avy any Foulpointe. 1.173 isa no fitambaran'ny tsy manan-kialofana vokatr’izany. Tombanana ho 5 miliara Ar ny fananana potika, amin’ny ankapobeny. Napetraka vonjy maika ao amin'ny tranom-pokonolona moa ny sasany tamin'ireo traboina. Tonga nijery ny fahavoazana sy nankahery azy ireo ny governoran'ny faritra Analanjirofo, Randriamanantena Marcellin sy ny avy amin'ny birao mahaleo tena misahana ny loza voajanahary.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ilay haintranobe !
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap