Tovolahy mbola tena tanora i RAKOTOFIRISANA Fenosoa na FENO , miompy no sady mamokatra zezika tain'omby no asa fivelomany ary efa an-taonany maro no nanaovany izany.
ALEO MAMORONA ASA
Tsy mampiasa akora simika mihitsy izay mety hisy vokadratsy any amin’ny voly fa tain’omby natoraly 100% no ampiasainay hoy i Feno.Anisany nanosika azy hiditra ao amin'ity asa ity ny fahasarotan'ny fahitana asa eto Madagasikara, fa eo ihany koa anefa ny traikefa izay ananany momba ny fiompiana sy ny fambolena. Tsara hoy izy ny mamorona asa ho an’ny tena fa tsy iantehitra amin’ny hafa, miara-miasa amin'ny rahalahiny sy ny namany izy ao anatin'izany.
ATOMBOKA AMIN’NY KELY
Tsy mora ny asa hoy i Feno fa asa vatana ny 90 % , ary tena mandreraka satria mibata gony, mibata zezika, mandeha an-tongotra. Tsy natao hoan'ny olona miaingitraingitra ity asa famokarana zezika tain’omby ity raha ny filazan’i Feno izay efa an-taonany maro no nanao izany .Azo lazaina ho mahavelona tsara rehefa tena ifotorana hoy izy. Tsotra ny hafatr’i Feno : aza miandry zavatra ngeza be vao ma-nomboka hoy i Feno fa atomboy amin'ny kely fa ny kely ihany no tonga lehibe.
ENCADRE
Arahinao ao amin’ny pejy facebook Tia Tanindrazana sy Top Radio isaky ny alakamisy manomboka amin’ny 12 ora atoandro ny horonantsary fanadihadiana « NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY ».
Nangonin’i RTT