airtel

Sosialy

18-mars-2026

Tiana Andria

«Soa fa nisy ny fanavaozana

Sample post image

ahafahana manampy ny tantsaha!»

18-mars-2026

Izahay ato amin’ny vondrona politika RNR, izay ivondronana mpanao politika miisa 150 mahery, dia manohana ny filohan’ny fanavaozana sy ny fitondràna tarihiny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha ara-toekarena mitarika ny Invest Madagascar, Tiana Andria. Manohana ny praiminisitra koa izahay, hoy izy. Inoana fa tena hoavy ny fanavaozana ka aoka isika mba hiray hina amin’izay! Tsy fotoanan’ny fanakorontanana intsony izao. Zava-dehibe ny fanavaozana sy fanorenana ifotony katsahana ho an’ny firenena. Mandroso ankehitriny ny tetikasa Invest Madagascar ary fepetra napetraka ny hoe tsy hitondra mpandraharaha eto haka ny tanin’ny malagasy akory. Navondrona ho koperativa ho vatsiana zezika sy masomboly ary fitaovana ireny. Ho hatsaraina koa ny fidiran’ny rano sy ny rehetra. Fiaraha-miasa manerana an’i Madagasikara io fa tsy Ambatondrazaka ihany. Ny mba tsy hanafarantsika vary intsony no tanjona. Tsy maintsy tsy manafatra vary intsony i Madagasikara! Efa eo am-pandaminana ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakàna amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny fanjakàna sy tsy miankina na PPP. Iaraha-miasa koa ny tantsaha sy koperativa. Ho avy tsy ho ela ny fandaminana ny raharaha rehetra izay miandry ny fananganana ny governemanta. Angatahana fotsiny ny fanjakàna mba hanamora ny tetikasa fa ny koperativa no miara-miasa mivantana amin’ny tetikasa. Tsy voafetra ny fanatanterahana an’io tetikasa io fa tanjona aloha ny hiovan’ny fari-piainan’ny tantsaha tanteraka. Zava-nisy taloha ny hoe raha nanana tanimbary 10ha ny razambe dia 10m2 sisa ny an’ny taranaka faha 10 aty. Mizara foana tsinona ilay tanimbary. Tanjona, noho izany, amin’ity ny hampiakatra tanteraka ny fari-piainan’ny tantsaha. Izay vokatra tsy lany eto dia ahondrana any ivelany. Ambatondrazaka no hanombohana azy satria maro ny tany tsy ampy fikarakaràna sy fanajariana any. Koperativa maromaro no hitsangana any. Tsy hisy fakàna tanin’olona fa fifampitaizana amin’ny tantsaha no angatahana. 100.000ha eo ny tany any, na voavoly io na tsia, ary tsy moramora ny manajary izany. am-polo tapitrisa Dolara no vola ho ampiasain’ny Invest Madagasikara anatin’izany. Soa fa nisy ny fanavaozana ahafahana manampy ny tantsaha, hoy hatrany ny fanazavàn’ity mpandraharaha ity, satria hisy famoronana asa an’arivo sy aman’alina io, raha toa tsy afaka nanao izany isika teo aloha!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap