airtel

Sosialy

20-oct-2021

Sosialy

Trafika goavana teny Ivato Safira, Emeraude mitentina 2 miliara Ar no tratra

Sample post image

Sarona indray ny fikasana hanao trafikana harem-pirenena goavana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly talata 19 oktobra.

20-oct-2021

Mpandeha teratany Sri Lankais saika handeha tamin’ny sidin’ny Ethiopian Airlines no nahatrarana vato sarobidy lafo vidy, toy ny safira sy Emeraude, ary karazany hafa. Araka ny fanazavana nentin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena izay nidina an-tsehatra teny amin’ny seranam-piaramanidina niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny ladoany, ny Polisy mpiaro ny sisin-tany,… dia nisy zavatra hita, zavatra volomboasary mifatotra tady, noho ny vaovao voaray avy amina olona tsara sitrapo. Noho io toe-javatra hafahafa io, dia voairaka ny manampahefana hijery izany, ka raikitra ny ny fisavana lalina natao, ary nahitana ireo vato lafo vidy be. Olona 2 teratany Sri Lankais no sarona. Ny fanambarana an-taratasy dia nilaza fa 13 205 dolara ny totalin’ny vatosoa nentiny, kanefa 550 000 dolara na 2 miliara ariary mahery (2 035 000 000 ariary) ny tena tomba-bidy, rehefa nozahana ilay entana. Nisy izany ny fanambarana hosoka na “fausse déclaration”, raha ny fanehoan-kevitr’ireo manampahefana notarihin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Mbola misy zavatra mavesatra tratra, izay anio no voalaza fa hanaovana fitsirihana na “Expertise” momba izany, raha ny fanazavana. Tsy azo ekena ny zavatra tahaka izao ary tokony samy hiezakany tsirairay hiaro ny mety hofanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena hatramin’izao, hoy ny manam-pahefana. Omaly ihany koa moa no nandeha fitsarana ny raharaha fahatrarana vato 8 kaontera saika haondrana sarona tany Toamasina, ary nanameloka ny fanondranana vato tany Toamasina ihany koa ny fitsarana. Hogiazana, ary misy lamandy hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap