airtel

Sosialy

04-juin-2021

Sosialy

Trano fandraisam-bahiny ao Toamasina Nivadika ho « maison de passe » ny ankamaroany

Sample post image

Nampiditra fatiantoka betsaka sy fandroahana mpiasa maro teny amin’ny sehatry ny fizahantany ny valanaretina Covid-19 ity.

04-juin-2021

  Tena voamafy tamin’ireo fepetra noraisin’ny fanjakana, indrindra ny fihiboahana natao sy ny fahamehana ara-pahasalamana noraisina ireo trano fandraisam-bahiny somary kely kintana sy ireo mpiseradia samy hafa, ary ireo trano fisakafohanana, indrindra fa ireo tantanan’ny teratany Malagasy ao Toamasina. Raha ny fanazavana azo dia lasa manao « maison de passe » na trano fiarahan’ny mpisakaiza avokoa ireo trano fandraisam-bahiny ireo noho ny tsy fisian’ny mpanjifa avy amin’ireo mpiala sasatra sy mpitsangatsangana. « Mba miaina kely izahay amin’ny fanaovana izany, satria betsaka ny mpamandrika sy mpanjifa amin’izany ankehitriny, indrindra tao anatin’ireo fihibohana sy fikatonana ireny…», hoy izy ireo.

 5000 HATRAMIN’NY 50 000AR

Manodidina ny 5.000 ariary hatramin’ny 10.000 ariary eo mantsy ny hofany efitrano ao anatin’ny adin’ny iray. Misy kosa ireo manao izany ho 30.000 alina ariary na 50.000 ariary ny tapak’andro arakaraka ilay trano fandraisam-bahiny. Izay mazana hilaharana izany indrindra ny faran’ny herinandro sy ny andro fety araka ny angom-baovao natao. Ireo trano fandraisam-bahiny mbola mahazo mpanjifa dia ireo ambony kintana amin’ny fandraisana fivoriana samihafa. Eo koa ny fandraisana ireo mpizahantany anatiny tonga miala sasatra sy ireo vahiny avy any ivelany mangala-dia tonga eto amintsika, saingy vitsy izy ireny nefa mba ahafahana mihodina eny ihany hoy izy ireo. Vokatr’izany rehetra izany, dia efa maro ireo trano fandraisam-bahiny nikatona tsikelikely, na mandroaka mpiasa ho lasa “chomage technique” aloha, na tena mandroaka mpiasa tsotra izao mihintsy noho ny eo am-pelan-tanan’izy ireo tsy maharaka intsony.

MIVADIKA ASA NY MPISERADIA

 Ireo mpiseradia kosa ao anatin’izany toe-draharaha rehetra izany, dia maro amin’izy ireo ny lasa mivadika asa hafa mihintsy, tahaka ny fitondrana Tuc-Tuc na Bajaj, sy misehatra amin’ny resaka ara-barotra samihafa, noho ireo vahiny sy mpizahantany tsy tonga vokatry ny valanaretina sy ny fikatonan’ny sidina ivelany. Ireo trano fisakafohanana moa ao anatin’izany dia miezaka ny mivelona amin’ireo mpisakafo kely azony isan’andro, saingy ireo tantanana teratany Malagasy no tena lasibatra amin’ny fepetra noraisin’ny fanjakana, fa ireo hana teratany vahiny kosa tsy misy sahy mikitika ao anatin’izany.

 

Joel R.

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap