airtel

Sosialy

18-janv-2021

Sosialy

Tsena Petite Vitesse Efa ahitana ilay vary 550 Ar ny kapoaka

Sample post image

Efa miroso amin`ny fampiharana ny vidin` ny vary ho 550 ariary isaky ny kapoaka

18-janv-2021

 

 

 

ny ankamaroan`ny mpivarotra. Hita izany etsy amin`ny tsena “Petite Vitesse” Isotry. Miankina amin`ny vidim-bary alaina eny amin` ny mpamokatra no hahafahana mijery ny vidim-bary eny an tsena. Samy manana ny fomba hamarotany vary anefa ireo mpamongady eny an-tsena ary misy mihitsy ireo no niditra anaty fatiantoka, hoy Salovaniaina Stephan, lehiben`ny tsena. Nanamafy ity tompon`andraikitra ity fa efa misy ny dingana ataon`ireo mpivarotra sy ny mpamongady hahafahana miroso amin`ny vidiny 550 ariary. Etsy ankilany, mangataka ity tomponandraikitra ity mba hisy mpanara-maso avy amin` ny minisitera mba ialàna amin`ireo mpanararaotra sy entana lany daty ihany koa. Etsy andaniny, nanambara ny minisiteran`ny varotra (MICA) ny herinandro lasa teo fa azo heverina fa hihena ny vidim-bary amin`ny herinandro satria efa manomboka mitsinjara ireo vary nafarana efa tonga eny amin`ny seranan-tsambon`i Toamasina amin`izao.

Marigny A

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap