airtel

Sosialy

21-juin-2022

Sosialy

Tsenan’ny Coum 67 ha Nitombo avo roa heny ny habeny

Sample post image

Nitombo avo roa heny ny haben’ny tsenan’ny Coum etsy amin’ny 67 ha. Tafakatra 2.200 isa ireo mpivarotra ho

21-juin-2022

zakany manomboka izao izay nomarihin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa ireo mpivarotra efa tao an-toerana ihany no ho laharam-pahamehana fa tsy araka ny feo mandeha ankehitriny. Misy mantsy ireo milaza fa mpivarotra vaovao mihitsy no hahazo ity foto-drafitrasa ity antony mampitaraina fatratra ireto farany. Mahatratra 1 ha eo ho eo ny toerana nametrahana ny tsena. Hita ao anatiny avokoa ny trano fivoahana….izay marihina fa tena natao manara-penitra tokoa. Hojerena manokana ihany koa ny mikasika ny fandriampahalemana mba tsy ho gaboraraka toy ny teo aloha intsony. Anisan’ny tsena tena hitobian’ireo mpisoloky sy mpanendaka mantsy ny Coum etsy amin’ny 67 ha raha tsiahivina, antony tsy hidiran’ireo mpanjifa te-hiantsena tao an-toerana na dia te-hanjifa ny vita Malagasy aza. Notokanana omaly ny foto-drafitrasa. Tonga nitarika ny lanonana teny an-toerana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina izay nanome toky ny vahoaka fa hiezaka hanao ny tsara hatrany mba ho tombontsoan’ny vahoakan’Antananarivo.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana omaly
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap