airtel

Sosialy

06-avril-2022

Sosialy

Varotra sy fanjifana Entana 5 no noferana ny vidiny

Sample post image

Nilatsaka ny didy famerana ny vidin’entana tena ilaina sy be mpampiasa hihatra ao anatin’ny 3 volana, azo havaozina.

06-avril-2022

Tsy maintsy hampiharina ny lalàna 2018-020 manoloana ny krizy maneran-tany, hiadiana amin’ny ampihimamba, hoy ny Fanjakana. Ny 80% amin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro dia hafarana avy any ivelany, kanefa tena miakatra be ny masonkarena, “Feno ny fepetra hidiran’ny Fanjakana an-tsehatra hamonjena ny mpiray tanindrazana hifehezana ny vidim-piainana. Tsy afaka ny hihemotra intsony, fa tsy maintsy mametra ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro, famerana ny tombony alain’ny mpamongady sy mpaninjara », hoy ny Minisitry ny fampiroboroboana ny indositra sy ny varotra ary ny fanjifana (MICC) omaly. Noraisina ny fanapahan-kevitra taorian’ny teny ierana nifanaovana tamin’ny mpandraharaha mpanafatra entana, mpamongady, mpaninjara,… na teratany vahiny io na Malagasy.
KARAZAN’ENTANA DIMY
Karazana entana 5 ireo noferana ny vidiny. Mbola hifampidinihana kosa ny momba ny savony izay miha midangana isan’andro. Noferana ho 2200Ar ny vidiny ambony indrindra ny kilaon’ny vary nafarana izay 25% eo ny potipotiny. 101 000Ar eo ny lasaka 50 kg amin’io miainga any amin’ny seranantsambo, 107 500 Ar no amoahan’ny mpamongady azy, 110 000Ar kosa eny amin’ny mpaninjara. Nanitrikitrika hatrany ny Minisitra, fa tsy hametra velively ny vidin’ny vary vokarin’ny Malagasy. Miady sy miaro ny vokatra eny ifotony isika, ary mila ampiana ny tantsaha mba hialana amin’ny fanafarana entana any ivelany. Misy foana ny krizy eran-tany, ka ny famokarana no vahaolana. Ho an’ny menaka mandry “huile de palme” kosa dia 7700 Ar litatra miainga amin’ny mpamongady, 7900 Ar kosa eny an-tsena. 150 000 Ar kosa ny “bidons” 20litatra amin’io any amin’ny mpamongady, 154 000 Ar any amin’ny mpamongady, ary 158 000 Ar kosa eny amin’ny mpaninjara eny an-tsena. Ny menaka Soja 9100Ar ny vidiny eny an-tsena, 1 176 000 Ar ny 50 litatra miala amin'ny mpanafatra sy mpamokatra, 180 000 Ar ho an’ny mpamongady, 182 000 any amin’ny mpaninjara. Ny menaka Soja amin'ny tavoahangy kosa miainga 9500 Ar ny iray litatra, 11 650 eny mpamongady, ary 114 000 Ar eny amin’ny mpaninjara. Ny siramamy izay misy sokajiny, ny Namakia miainga 127 000 Ar ny gony 59 kg, 134 700 Ar tonga eto Analamanga, ary 2750 Ar kosa ny kg. Ny siramamy Ambilobe kosa 2700Ar ny vidiny farany ambony. Ny siramamy nafanarana kosa miainga 170 000Ar any amin’ny seranana, 177 000 eny amin’ny mpamongady, 180 000 Ar eny an-tsena ary 3600Ar/kg. Ny lafarinina vokarina eto an-toerana 168 000 Ar eny amin’ny mampokatra, 175 000Ar ho an’ny mpamongady,180 000 Ar eny an-tsena, ka 3600Ar/kg. Ny simenitra kosa miainga 29 000 Ar, 36 500 Ar eny amin’ny mpamongady, 39 000 Ar eny an-tsena. Ny entona fandrehina tsy hiova ny vidin’ny 4kg sy 9kg taorian’ny fifampiresahana. Asondrotra ho 82 500 Ar kosa ny 12 litatra. Mihatra avy hatrany ho an’ny mpamongady, ary manomboka ny alatsinainy kosa ho an’ny mpaninjara. Nampitandrina an’ireo mpanararaotra ity minisitra ity fa ho henjana ny fanaraha-maso, ary voafaritry ny lalàna 2018-020 ny fanasaziana ireo, toy ny fanakatonana ny tsena, fanatsoahana ny “licence” na ny maha mpamongady,… Na noferana aza, tsapa ho mbola ambony be ihany. Andrasana indray ary ny vokany e !
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap