airtel

Sosialy

07-avril-2022

Sosialy

Varotra zazamenavava, taolam-paty,… 5 monja amin’ny 80 tapitrisa ny an’ilay reny

Sample post image

Mpivarotra zaza mena ary mpanao aferana taolam-paty sy menaka azo avy amin'olombelona no tra-tehaky ny Polisi'ny PPA 3 tetsy Ankadimbahoaka ny Alatsinainy maraina lasa teo tokony ho tamin'ny 10 ora maraina.

07-avril-2022

Ny renin’ilay zaza ny iray ary mbola nahatratrarana zaza menavava iray volana sy tapany teny aminy. Alatsinainy maraina tamin'ny folo. Ramatoa iray koa no tratra teny Ivato noho ny aferana taolam-paty. Fantatry ny Polisy miasa ao amin'ny PPA 3 fa misy olona ahiahiana amina resaka trafikana zazakely sy taolam-paty teny amin’ny faritra Ankadimbahoaka. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ka nanao velam-pandrika. Vokany : olona miisa efatra (4) no voasambotra ka tao anatin’izany ny renin’ilay zaza mena vao iray volana sy tapany. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa 80 tapitrisa no namarotana ity zaza ity ka ny 5 tapitrisa amin'izany no anjaran'ny renin-jaza. Rehefa nitohy ny famotorana dia fantatra fa manao aferana taolam-paty ireto olon-dratsy ary manana vokatra amin'ny kilao maro izy ireo. Nitohy ny fisamborana ka tratra teny Ivato ny talata maraina ny vehivavy iray, nahatratrarana taolan-dava, maina, miisa 76 isa izay misy eo amin'ny folo kilao eo ho eo, ity farany izay niala tany Vohipeno ny Asabotsy lasa teo. Raha ny fanadihadiana hatrany dia notombanana 20 tapitrisa ariary ny kilao iray raha toa raikitra 10 tapitrisa ariary ny varotra.
Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana !
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap